MITONDRA FIAINANA NA FAHAFATESANA NY SAFIDINAO

Mitondra Fiainana na Fahafatesana NY SAFIDINAO

Nahoana no marary ny olona ka na ny dokotera, na ny vavaka dia tsy afaka hanampy azy ?

Nataon’Andriamanitra hitovy Aminy ny olona hatramin’ny voalohany… Tsy mety maty, na marary, na nisy ota.

Nandeha tsara ihany avokoa ny zavatra rehetra nandritra ny fotoana tsy dia voafetra, mandra-pitenin’i Satana tamin’i Eva sy nanontaniany azy hoe : « Nilazan’Andriamanitra ve ianareo fa amin’ny andro hihinananareo ny voankazo fahalalana ny TSARA sy ny RATSY dia ho FATY tokoa ianareo ?

Tsy ho faty tsy akory ianareo,  fa fantatr’Andriamanitra fa amin’ny andro hihinananareo dia hahiratra ny masonareo, dia hitovy amin’Andriamanitra ianareo ka hahalala ny RATSY sy ny TSARA » (Gen. 3 : 1-5).

Ny zavatra tena nahaliana an’i Satana dia ny hianaran’ny olona ny hanao ny ratsy… Na dia fantany tsara aza fa fahafatesana no tambin’ny ota ! Satana tsy tonga raha tsy handringana sy hamono. Izy no loha-laharana amin’ny fahavalon’Andriamanitra ; Ary koa loha-laharana amin’ny fahavalon’ny fitiavan-dehibe sy ny fitahian’Andriamanitra ny lehilahy sy ny vehivavy.

Mampalahelo ny milaza hoe : nino an’i Satana Eva ary nisalasala ny amin’ny fikarakaran’Andriamanitra sy ny fiahiany mba hahazoany fifaliana ambony indrindra. Sahy « NANANDRANA » ilay voankazo indray mandeha izy… nefa efa ampy ny indray mandeha. Nitondra zava-droa loha izany dia  ny tambiny avy amin’ny Andriamanitra sy izay tian’ny devoly hataony… Nampianatra azy hanota izany… ary zava-dratsy hafa toy ny vonoan’olona, fankahalana, lainga, halatra, ary izay natao hoe : ota dia tonga tao amin’i Eva.

« Manahaka an-dreniny ny zanaka vavy ». Ny fianakavian’ny taranak’olombelona rehetra dia niombona tamin’ny fomba sy toetram-pahotan’i Eva, izay nitondra izao tontolo izao HAHALALA HANOTA ary tonga tamin’ny olona rehetra izany.

Tsy misy tsara na dia iray aza ! Ary ny lalan-tokana hahafahana amin’ny toetra ratsim-pahotana izay tsy afaka hiditra ny lanitra dia ny : FANDRAISANA AN’I JESOSY KRISTY HO MPANAVOTRA MANOKANA ho afaka amin’ny fahotana ! Tsy voaozona amin’ny fahotan’i Eva isika… fa voaheloka noho ny SAFIDINTSIKA MANOKANA ! Ny andraikitsika dia ny mifidy na tiantsika izay nofidin’i Eva… na  MIFIDY ny hino an’i JESOSY ka hangataka Aminy ny hanafaka antsika amin’ny toetra izay tia fahotana ! Raha miantso an’i Jesosy hanafaka anao amin’ny toetram-pahotana ianao… dia hiasa ny asam-pahasoavana ao anatinao Andriamanitra ka tsy haniry ny hianatra ny ratsy ianao, fa ny ho tia ny tsara ary hankato ny tenim-pahefana, ny tenim-pitiavana sy ny tenim-pahasoavana !

SITRAPON’ANDRIAMANITRA ny hamonjy sy hanavotra izay rehetra manatona an’i JESOSY mba ho afaka amin’ny ota. « Izay rehetra manatona AHY (hoy Jesosy) tsy mba ho laviko mihitsy ».

« RAHA miaiky ny fahotantsika isika dia mahatoky sy marina Izy (Jesosy Kristy) ary mamela ny helontsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsi-fahamarinana rehetra. (I Jao. 1 : 9).

Rehefa  manafaka antsika amin’ny ota Jesosy dia manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra. Noho izany no nitenenan’i Davida mpanao Salamo hoe : Misaora an’i Jehovah… izay mamela ny helokao REHETRA ary manasitrana ny aretinao rehetra !

Azonay omena antoka fa raha misy mangataka marina amin’i Jesosy amim-pahatsorana mba hamonjy azy ho afaka amin’ny fahotany sy hanadio ny toetrany ho afaka amin’ny faniriana hanota… dia ho faly Andriamanitra hamela ny helony na dia izay ratsy sy maro indrindra aza, dia tahaka ny hamelany ny kely indrindra sy izay tsy voatanisa rehetra… ary miasa ao amin’ny toetranao Izy, koa ny zavatra tianao teo aloha dia hankahalainao ary ny zavatra momba an’Andriamanitra izay lavitra anao taloha dia ho fiainana ary ho fifalianao… ka tsy atakalonao ny zavatra arivon’ny Tany ! Satria efa hitanao ny làlana marin’Andriamanitra !

Ary mampanantena Andriamanitra fa : Raha hazoto hihaino ny feon’i Jehovah Andriamanitrao ianao dia tsy hisy ataoko aminao ireny aretina (mampahory ny mpanota), izay nataoko tamin’ny Egyptiana ireny. (Eks. 15 : 26). Fa raha mankahala an’Andriamanitra ianao sy tsy mankato ny didiny izay fiainana ho anao… dia hoy Andriamanitra : Hovaliako izay MANKAHALA AHY. (Deo. 32 : 41).

Fantaro fa Izaho dia Izaho no IZY, ary tsy misy ANDRIAMANITRA afa-tsy Izaho : Izaho no mahafaty sy mahavelona, Izaho no maharatra sy mahasitrana ary tsy misy mahafaka amin’ny tànako (Deo. 32 : 39).

Na dia ao amin’ny Jao. 3 : 36 aza dia Jesosy mihitsy no nanambara, fa izay mino ny Zanaka dia manana fiainana mandrakizay, ary izay tsy mino ny Zanaka no tsy manana fiainana, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no mitoetra eo aminy (amin’izao fotoana izao).

Nitomany an’i Jerosalema Jesosy, nefa ny ranomasony tsy NAMONJY azy tamin’ny fandravana… satria nifidy ny hitohy amin’ny fahotana ireo mponina tao, ary nandà ny hanaiky ny fahafahana amin’ny ota. Tiany ny hitohy ho mpihatsaravelatsihy amin’ny fo ratsy poakaty, noho ny hahafantatra ny otany, ka hangataka ny hanadiovana ny ota nataony tamin’Andriamanitra sy ny olona.

Naleony namono ny mpitoriteny izay nirahin’Andriamanitra ho ainy sy namono na dia ny Zanak’Andriamanitra aza… tsy nanantena hande toriteny mandresy lahatra azy amin’ny otany izy… Nitomany teo aminy JESOSY : ry Jerosalema, ry Jerosalema, raha mba fantatrao mantsy fa impiry Aho no te-hanomba anao tahaka ny fanomban’ny reniakoho ny zanany ao ambanin’ny elany… hatramin’izao dia avela ho lao ho anao ny tranonao !

Tsy fahadisoan’Andriamanitra izany fa fahadisoany ! NIFIDY fandravana izy toy izay NY FIAINANA.

Hoy ny Tompo : « Tsy sitrany ny fahafatesan’ny ratsy fanahy, fa ny mba hialan’ny ratsy fanahy amin’ny làlany mba ho velona izy ! Koa araka ny FANANANA SAFIDY MALALAKA, dia nomen’Andriamanitra alalana ianao hifidy izay tianao. Raha tianao ny ho velona dia miravaoravoa amin’ny famonjen’Andriamanitra –– Famelana ny helokao rehetra ary fiainana mandrakizay any an-danitra mianpy fifaliana sy firavoravoana eto an-tany. Koa ekeo JESOSY HO MPAMONJY NY TENANAO MANOKANA ! Hamonjy anao Izy ary hanasitrana anao koa.

Izy no hany Mpamonjy sy Mpanasitrana tsy miova, dia JESOSY KRISTY ILAY ZANAK’ANDRIAMANITRA.

Raiso ireto dingana 4 ireto :

1- Ekeo AMIN’ANDRIAMANITRA fa mpanota meloka ianao ary voaheloka eo anatrehany tamin’ny nandikanao ny didiny. Ekeo fa tsy mahavonjy tena ianao ka raha tsy misy an’i Jesosy Kristy izay Mpamonjy ny tenanao manokana dia very tsy misy fanantenana ary voaheloka ho any amin’ny helo ianao.

2- MIBEBAHA AMIN’NY FAHOTANAO. Ekeo ary ilaozy ny ota rehetra. Manenena eo anatrehan’Andriamanitra noho ny ireny ota ireny ka mangataha mba hamelany anao.

Ankehitriny ary dia tokony hanao ny fanapahan-kevitrao ianao mba handray an’i Jesosy ho TOMPO sy MPAMPIANATRA anao ary ho MPAMONJY ny tenanao manokana, ka lazao hoe : Raisiko Ianao, ry Jesosy Tompo ho Mpamonjy ny tenako manokana. Ianao no maty nisolo ahy noho ny otako ary ankehitriny dia  mibebaka noho ny otako rehtra aho, fa mpanota meloka. Raisiko ho Mpamonjy ny tenako hatramin’izao ka ho mandrakizay ianao.

Aoka ho tsotra ka ataovy amin’ny fonao manontolo izany. Mivavaha mafy sady amim-pahatsorana mandra-pahatsapanao fa nanao fanovàna tao am-ponao Andriamanitra.

Tsy mba avelan’Andriamanitra fotsiny ny fanahy iray izay tsotra !

Tsy ho laviny ianao raha  manatona Azy amim-pinoana ! Ka minoa. Manatona an’i Jesosy anio. Ny Tompo anie hitahy anao !

3- MATOKIA NY TENIFIKASAN’ANDRIAMANITRA IZAY AZO ANTOKA. « Izay rehetra manatona Ahy tsy mba ho laviko mihitsy (Jao. 6 : 37). Ary amin’ny finoana no mahavoavonjy anao sy maha-voasasa anao amin’ny RAN’I JESOSY KRISTY.

4- EKEO AMPAHIBEMASO AMIN’NY VAVANAO JESOSY KRISTY (Rom. 9 : 10) ho Tompo sy Mpamonjy.

Vakio isan’andro ny Baiboly dia mivavaha ary manatona ny fiangonana izay itoriana ny fahamasinana.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *