Paska iray tsy hay hadinoina tany Martinika

Martinika dia nosy frantsay any amin’ny ranomasin’i Karaiba, ao amin’ireo nosy vitsivitsy ao atsimon’i Portoriko. Manana helo-dranomasina malalaka sy mahafinaritra izy io. Mangamanga maha-te hizaha aok’izany ny ranony, fatratra ihany koa ny toetrandro, ary ny zava-maniry dia mahatonga ity nosy kely ity ho toy ny paradisa. Noho ireo antony ireo dia maro amin’ny mpanakarena avy any Eoropa no tonga mandany ny andro fialan-tsasatra any Martinika, miharo amin’ny filalaovana sy ny fahotana.

Tamin’ny Paska 1905 dia sambo lehibe 12 avy any Eoropa no hita niantsona teo amin’io helo-dranomasina io, ireo mpandeha rehetra kosa nanakalaza ny karemy teny amoron-dranomasina niaraka tamin’izay mety ho faharatsiana rehetra noho ny fetin’ny Mardi Gras.

Tsy mba nisy fiangonana nitory ny Filazantsara tao amin’ity nosy kely ity. Kanefa tsy sitrak’Andriamanitra hisy ho very na dia iray aza, fa mba samy ho tonga amin’ny fibebahanany ny rehetra, dia naniraka zatovo roalahy tamin’ny sambo avy any Kanada Izy. Rehefa tonga tao Martinika ilay sambo dia nanontany azy roalahy ilay manamboninahitra mpikarakara ny fampidirana ny vahiny ny amin’izay zavatra kasainy hatao ao Martinika. « Hitory ny tenin’Andriamanitra izahay hoy ny valin-tenin’ireo »

Raha FITORIANTENY, dia tsy mila izany ny mponin’ny nosy, satria manelingelina ny lalaony ary tsy ahazoany manara-po amin’ny fahotany. Dia hoy ilay manamboninahitra tamin’izy roalahy : « tsy mahazo manitsaka ity taninay ity akory ianareo. Andeha mijanona eny an-tsambonareo ka rehefa miainga ny seranana io dia mandehana miaraka amin’izay koa ianareo ».

Nandihy sy nisotro ny mponina teny an-tanety ary mba hanehoany ny fanesoany dia kisoa no nohomboany tamin’ny hazofijaliana mba ho faniratsirany ny nanomboana an’i Kristy…

Nihoam-papana tsy zakan’Andriamanitra izany, ka niaraka tamin’izay dia nidona-tsetroka ny tendrombohitra avo iray nandindona ilay helo-dranomasina, toy ireny hisy volkano hipoaka ireny. Raiki-tahotra ny olona rehetra ka naniraka mpahay siansa handinika akaiky ilay tendrombohitra na hisy volkano hipoaka tokoa na tsia.

Nozahan’ireo mpahay siansa ary ny tany ka mangatsiaka toy ny mahazatra. Dia niverina ireo ka nanao hoe : « Tohizo ihany ny dihy sy ny fahafinaretana fa tsy misy atahorana ». Dia nihanaka tanteraka ny mozika sy ny fahotana.

Lasa ny telo andro, nadao ny seranana ilay sambo kanadiana, izay nitondra ireo Evanjelistra roalahy… fa raha vao nahafaka 5 kilaometatra izy ireo dia tonga ny FITSARAN’ANDRIAMANITRA. Ny ilan’ilay tendrombohitra lehibe manontolo no nipoaka ary tao anatin’ny 30 segondra monja dia nandrakotra ny tanàna tamin’ny ranoka mahamay sy ny lavenona. Tsy nisy afa-nandositra ny loza afa-tsy mpitoriteny iray voahidy tany amin’ny fanambanin’ny fonja. Rehefa voaesotra ny korotan-javatra sy ny vato mihazo ilay tanàna dia hita velon’aina ity mpitoriteny ity ary tsy nisy naratra na kely akory aza.

Ny afom-bolkano dia nianjera tany amin’ny 200 kilaometatra manodidina, ary ireo tompon-tany dia voatery nitsangana teny an-tsahany niady tamin’ny lavenona nanidina nameno ny sahany. Ny sambokely nitondra ireo mpitoriteny roalahy kosa tapitra nirehitra raha vantany vao tonga tao amin’ny nosy manaraka dia i Sainte-Lucia.

Izay rehetra tonga nitsidika ny nosy Martinika dia nandre avy tamin’ny mponina izany tantara izany.

Fampitandremana hentitra ho an’izao taranaka indray miaina izao izany, fa tsy zakan’Andriamanitra ny fanesoana ny sorona nataon’i Jesosy hamonjena izao tontolo izao ! Hisy andro izay hamalian’Andriamanitra ny natao… FAHAFATESANA NO TAMBIN’NY OTA… Fa fiainana mandrakizay kosa no fanomezan’Andriamanitra ao amin’ny Kristy Jesosy Tompontsika. (Rom. 6 : 23)

Fanoharana maro no entin’i Jesosy milaza ny fihetsik’Andriamanitra eo anoloan’ny mpaniratsira ny fanomezany ny famonjena.

« Fa ireo fahavaloko tsy nanaiky hanjakako ireo, dia ento aty ka vonoy eto anatrehako » Lio. 19 : 27.

« Dory ny tanànany. Zarao ho an’izay manompo ny Tompo ireo babo »

Rehefa miverina amin’ny voninahiny rehetra eny amin’ny rahon’ny lanitra Jesosy : « Ny maso rehetra hahita Azy… Ilay nolefoniny… »

Ary ny firenena rehetra ambonin’ny tany hisaona Azy… Ho hitany ireo diam-pantsika sarobidy teo amin’ny tànany… izay nozakain’i Jesosy noho ny OTAKO SY NY OTANAO.

Izay rehetra maniry famonjena izao dia afaka hanana izany… Fa aza mirehareha ny ho amin’ny ampitso ianao… na dia ny avoaky ny anio aza tsy fantatrao. Oha. 27 : 1

Rehefa miverina indray amin’ny hery sy ny voninahitra lehibe Jesosy… dia hitondra FIRAVORAVOANA ho an’ireo tia sy manompo marina ny Tompo amin’ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra izany… Fa fandravana tanteraka kosa… ho an’ireo nandà ny famonjena azy !

Tsy hahasoa anao ny volamenanao rehefa higadona izay andro izay. Maro ny olona miezaka mitady volamena ankehitriny… « tsy manam-potoana » homena an’Andriamanitra amin’ny vavaka sy ny famakiana Baiboly, na hanao izay tian’Andriamanitra hotanterahana eo amin’ny fiainany, fa rehefa tonga Jesosy, dia hariany eny an-dàlambe ny volamenany, « dia toa an’i Jodasy izay nanipy ny farantsa 30 nivarotany an’i Jesosy » Jereo Ezekiela. 7 : 19

Ny hoe Paska dia midika ho FANOLORANTENA TANTERAKA ho an’i Kristy amin’ny fitiavana vaovao sy ny fahatsorana ary fankasitrahana izay rehetra nataon’Andriamanitra ho antsika tamin’ny alalan’ny nijalian’i Jesosy Kristy Ilay Zanany Lahitokana. Isa. 53 : 5, 6