Loza ho an’ny fitafiana hafahafa

« Ary izao no hiseho amin’ny andro hanaovan’i Jehovah ny fanatitra, dia hovaliako ny lehibe sy ny zanaky ny mpanjaka mbamin’izay rehetra mitafy fitafiana hafa ».
Zefania. 1 : 8.

Efa nandinika lalina Andriamanitra ka manan-kolazaina tokoa ny amin’ny zavatra inian’ny ankabiazan’ny olona tsy jerena, izay mihevitra fa tsy miraharaha ny fomba fiankanjony Andriamanitra sady manala tsiny ny tenany amin’izany izy ireo ka milaza hoe : « Andriamanitra mijery ny fo fa tsy izay miseho ivelany. »

Rehefa miteny tamin’i Samoela Andriamanitra mba tsy hijery ny fahatsarambikan’i Eliaba, zanak’i Jese, satria Andriamanitra nahalala izay tao am-pony, dia efa nolavin’Andriamanitra izy… (kanosa avokoa ny rahalahin’i Davida teo anatrehan’i Goliata ilay goavam-be. Tsy nisy na dia iray aza tamin’izy ireo nanam-pinoana hivoaka ary handringana ilay goavam-be, fa Davida kosa no sahy) .

Izany no antony nilazan’Andriamanitra tamin’i Samoela mba tsy hijery ny ivelany, fa Andriamanitra mijery ny fo…  nefa tsy miteny akory Andriamanitra fa ny FO IHANY no jereny… Andriamanitra dia tsy nangina na oviana na oviana ny amin’ny resaka fitafiana.

Raha ny marina, Andriamanitra dia nanome ny toro-làlany, hatrany amin’ny ota voalohany tao amin’ny saha Edena ka hatrany amin’ny boky farany ao amin’ny baiboly, ary manan-kambara Izy ny  amin’ny tokony ho fomba fitafiantsika, na ny amin’izao ankehitriny izao, na ny any amin’ny mandrakizay ! NY FAHAMAONTINANA SY FAHAMENDREHANA dia tsy maintsy hiainana raha tsy izany dia ho lavin’Andriamanitra izany olona izany.

Tao amin’ny saha Edena, ny zavatra voalohany indrindra nataon’Andriamanitra dia ny nampitafy hodi-janak’ondry an’i Adama sy Eva, rehefa nanota izy ireo.

Rehefa nivoaka hiala ny fanandevozan’ny Egyptiana ny zanak’Isiraely ary rehefa mby akaikin’ny tany nampanantenaina dia niteny tamin’i Mosesy Andriamanitra, handidy ny olona hanisy SOMOTRAVIAVY eo amin’ny fitafiany, ary hasiana KOFEHY MANGA izany. Dia izany no notoherin’ireo loholona 250 teo amin’Isiraely mafy sy ireo mpifehy, ka nangoniny avokoa ny olona REHETRA hanohitra an’i Mosesy sy Arona ary niezaka hampiseho tamin’ny firenena manontolo fa marina izy ireo, fa i Mosesy kosa no tsy maharaka ny toetr’andro sy manava-tena satria tsy manao ny fanaon’ny olona…  fa izy ireo dia masina na dia manao fitafiana fohy izay mampihanjahanja ny feny aza …

Rehefa nanome ny baiko Andriamanitra hanalavana ny fitafian’izy ireo, dia nomeny azy koa ny anton’izany. Nom. 15 : 39-40, « Ary ho somotraviavy [fanampin’ny morotongotr’akanjo] ho anareo izany, ka raha JERENAREO, dia HOTSAROVANAREO sy hankatoavinareo ny didin’i Jehovah rehetra ; ary tsy handeha araka ny fonareo ianareo, na araka ny MASONAREO », FA TAMIN’NY FANARAHANA IZANY no NAHATONGA ANAREO HO ZATRA MIJANGAJANGA! : « mba hotsarovanareo sy HANKATOAVINAREO ny didiko rehetra, ka HO MASINA ho an’Andriamanitra ianareo ».

Fantatr’Andriamanitra ny tao am-pony raha nahita ireo fe mihanjahanja izy ireo. Tsy hainy ny hahatsiaro ny lalàn’Andriamanitra satria feno filàna ny fo ratsiny. Koa mba hampitsaharana ny filàny, dia TOKONY HALAVAINA NY FITAFIANA, ary nolazain’Andriamanitra ihany koa ny fomba hanaovana an’izany. Kanefa NITSANGANA NANOHITRA AN’I MOSESY IREO LEHILAHY IREO ka nilaza fa manao ny tenany ho zavatra sy ho lehibe i Mosesy, nefa izy ireo koa dia masina tahaka azy ; dia nihaika azy izy ireo ka sahy nanapa-kevitra tsy hamela ny vadiny hanalava ny fitafiany… ary mbola sahy nanolotra ditin-kazo manitra ho an’Andriamanitra aza izy ireo. Ary nodoran’Andriamanitra velona izy ireo. Voatery Andriamanitra nampisokatra ny tany hitelina ny lain’i Datana sy Abiràma ary izay rehetra mety ho azy mbamin’ny zanany madinika, ka latsaka velona mivantana any amin’ny helo izy ireo satria tsy te hanalava ny fitafiany. VAKIONAO MANOKANA : Nom. 15 : 37-41 ; Nom. 16-17 ; Eks. 32 : 25.

Niteny Andriamanitra taty aoriana ao amin’ny bokin’ny mpaminany hoe : « NY FISEHON’NY TAREHINY MIAMPANGA AZY » (Isa. 3 : 9) : ny fitafian’i Jezebela sy ny fandokoany ny tarehiny, sns… dia milaza mazava ny faharatsiana izay tao am-pony…

Ezekiela dia milaza ny fomba fitafin’ny vehivavy izay miezaka hamitaka. Lazain’ny Ohabolana ny fomba fitafin’ny vehivavy ratsy fanahy, sy ny fomba firesany, ary ny famindrany. Ary ny Ohabolana ihany koa no milaza ny fomba fitafin’ny vehivavy tsara fanahy, sy ny fomba firesany, ary ny famindrany. Nananatra mafy ny vehivavy i Paoly hitafy akanjo mendrika ny FAHAMASINANA, tsy hanahaka ny an’izao tontolo izao, tsy hanao zavatra izay hitaona ny lehilahy ho amin’ny filàna ka hijangajanga ao am-pony. I Tim. 2 : 9-10 ; Mat. 5 : 27-29.

Fa ao amin’ny Zefania 1 : 8, dia milaza Andriamanitra fa HANAFAY IZAY REHETRA MANAO FITAFIANA HAFA…  Hafahafa na hafa no teny marina hilazana ny lamaody na ny fomba fitafy adalan’ny « hippie » izay mahazo vahana sy laka eo amin’ny lamaodina akanjon’ny lehilahy sy ny vehivavy…  ny vehivavy manao fitafian-dehilahy. Ny sarisary eny amin’ny akanjo sy ny lehilahy izay manao zavatra tsy an-dehilahy…. NY OLONA TSIRAIRAY IZAY MANAO FITAFIANA HAFAHAFA DIA HANDRAY NY FAMAIZANA AVY AMIN’I JEHOVAH.

Ankehitriny isika dia mahita fahafatesam-panahy, fisainana araka ny nofo, fanaon’izao tontolo izao, nofo mihanjahanja, filàna sy fieremana izay manjaka amin’ireo misora-tena ho olo-masin’Andriamanitra sy malaza fa voavonjy. Kanefa raha apetraka eo amin’ny tena mizana marin’ny tenin’Andriamanitra sy fenitra hotratrarina izy ireo dia ho hita fa VITSY DIA VITSY ny ho tonga any an-danitra.

Raha ireo milaza fa feno ny Fanahy Masina no tsy mbola mahatratra ny fahamasinam-piainana, dia voaporofo fa TSY MANANA ILAY TENA FANAHY MASINA izy ! Satria ny Fanahy Masina dia Masina ka mampiaiky ny ota sy ny fanaon’izao tontolo izao amin’ny endriny rehetra ! Ry mpamaky malala, aza mety hofitahina. Ny Tenin’Andriamanitra no haharitra ny fizahan-toetra ! Raha velona araka ny NOFO isika dia ho FATY! Fa raha velona araka ny Fanahy kosa isika dia ho velona !

Fanahy mamitaka maro ankehitriny no miasa manerana an’izao tontolo izao, ary polipitra an’arivony no feno rahalahy sandoka, misaina araka ny nofo, tsy masina, fatra-pierina, mba hahazo tombon-tsoa ara-bola sy fahafinaretana eto amin’ity izao tontolo izao ity ! Manaraka ny fahafinaretana sy ny fialam-boly maro ; manahaka tanteraka izao tontolo izao sy ny asany ary ny fombany !

Tsy mendrika hatao ohatra ho an’ny mpino izy ireo… Tsy azo alain-tahaka ilazana fisarahana amin’izao tontolo izao ! Nodidiana isika « HITAHIRY NY TENANTSIKA TSY MISY TSINY [NA PENTIPENTINA]  AVY AMIN’IZAO TONTOLO IZAO ! »

Ahoana no hiasan’ny Fanahy Masina sy hitoerany ao amin’ny olona tsy masina toy izany, dia ao amin’ny olona izay tsy mahafoy ny otany !

Mampianatra mazava Andriamanitra fa NY FAHASOAVAN’ANDRIAMANITRA dia mampianatra antsika HANDA izay TOE-PANAHY TSY ARAKA AN’ANDRIAMANITRA SY NY FILAN’IZAO TONTOLO IZAO… Tokony ho velona amin’ny onony sy ny marina isika amin’izao FIAINANA ANKEHITRINY izao, izay HAMIRAMPIRATANTSIKA HO FANAZAVANA!

« Itafio Jesosy Kristy Tompo, ARY AZA MIAHY NY AMIN’NY NOFO hahatanteraka ny filàny ». Ankehitriny dia maro no milaza fa feno ny Fanahy Masina nefa mampihanjahanja ny nofony na dia AO AMIN’NY TRANON’ANDRIAMANITRA aza ! Ary indraindray na dia eny amin’ny polipitra aza ! Ny hanintona olona ho latsaka amin’ny filàna no hany fitafiany ka dia izany no hitondra FANAMELOHAN’ANDRIAMANITRA HAINGANA ho an’ny tenany sy ho an’ireo izay azom-pakam-panahy tamin’ny alalan’ny fitafiana tsy araka an’Andriamanitra !

« Fahamasinana no mendrika mandrakizay ny tranonao Jehovah ô! » Sal. 93 : 5.