Ny fahaterahana indray

Ny fahatsapana ny famonjena azo amin’ny alalan’i Jesosy Kristy dia lazaina koa hoe fahaterahan’ny fanahy. Ny tenan’i Jesosy no nampiditra io fampianarana io. “tonga tany amin’ny azy Izy, fa ny azy tsy nandray Azy. Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra , dia ireo izay mino ny Anarany: dia ireo izay tsy nateraky ny ra, na ny sitrapon’ny nofo, na ny sitrapon’ny olona, fa naterak’Andriamanitra .” Jao.1:11-13. Araka io teny io dia naterak’Andriamanitra  ireo izay nandray an’i Kristy sy nino ny Anarany nandritra ny naha nofo azy.

Dia tahaka izany koa raha tonga tamin’ny alina Nikodemosy hanotany ny Mpamonjy, ary nanaiky azy ho Mpampianatra avy amin’Andriamanitra , dia namaly Jesosy ka nanao taminy hoe: “ lazaiko aminao marina dia marina tokoa, raha tsy ateraka indray ny olona dia tsy mahazo mahita ny fanjakan’Andriamanitra ”Jao.3:1-7. Fahaterahana ara-nanahary no nandraisan’i Nikodemosy izany ary tsy nety ho azony mihitsy izany hoe “fahaterahana indray” izany izay mety ho tsapan’ny olona na dia efa antitra aza. Dia nanazava Jesosy ka nanao hoe: “izay ateraky ny nofo dia nofo; fa izay ateraky ny Fanahy kosa dia fanahy. Aza gaga noho ny nilazako taminao hoe: tsy maintsy ateraka indray ianareo.”

Tena fototra lehibe mihitsy io fampianaran’ny fahaterahana indray io, satria raha tsy ateraka indray ny olona dia tsy azo antsoina ho tena Kristiana marina. Ny Kristiana mantsy dia olona tahaka an’i Kristy, ary tsy maintsy hovana avy amin’ny ota ho amin’ny fahasoavana ny mpanota alohan’ny hahatonga azy ho tahaka an’i Kristy, ary ny Fanahy no manao izany fiovana izany izay antsoina hoe fahaterahana indray.

Ny hevitra misongadina asehon’ny fahaterahana indray dia ny fahatongavana eo amin’ny fahavelomana. Aseho ho toy ny olona maty am-panahy ny mpanota ao amin’ny Soratra Masina. Ny fahafantarana an’Andriamanitra ary ny fikambanana Aminy amin’ny fahamasinana sy ny firaisana no fiainana mandrakizay, ary izany no tokony ho faritra ho tratrarin’ny fahasambaran’ny fanahy (Jao.17:3)