Ny fijangajangana sy ny voka-dratsy aterany 2

NY FAHOTANA IZAY MITARIKA FAHAFATESANA BETSAKA
NY FAHOTANA IZAY MAHATONGA NY FAHATEZERAN’ ANDRIAMANITRA.

… tohiny

Ny anankiray fahatelo dia ao amin’ ny (Gen. 20), raha nisy mpanjaka mpanompo sampy iray naka an’ i Saray, vadin’ i Abrama, noho ny hatsaran-tarehiny. Niseho tamin’iAbimeleka tamin’ny nofy nony alma Andriamanitra ka nanao hoe: « Indro, ho faty ianao (tsy hisy famindrampo mitondrafahasitranana mihitsy… fa dia fahafatesana) noho ny vehivavy izay efa nalainao, fa vadin’ olona izy. Fa Abimeleka anefa tsy mbola nanakaiky azy, ka hoy izy: Tompo ô, hovonoinao koa va izay firenena marina ? Tsy ralehilahy va no nilaza tamiko hoe: Anabaviko izy ? Ary ravehivavy tenany ihany no nanao hoe: Anadahiko izy; taurin’ ny fahitsian’ ny foko sy ny tsy fananan’ ny tanako tsiny no nanaovako izany. Ary hoy Andriamanitra taminy tamin’ ny nofy: Eny, fantatro fa tamin’ ny fahitsian’ ny fonao no nanaovanao izany, fa niaro anao tsy hanota amikokoa Aho, noho izany no tsy namelako anao hanendry azy. Ary ankehitriny avereno amin-dralehilahy ny vadiny; fampaminany izy ka hivavaka ho anao, dia ho velona ianao;fa raha tsy averinao izy, aoka ho fantatrao fa ho faty tokoa ianao, dia ianao mbamin’ izay rehetra anao

FANAMARIHANA: Na dia tsy nanan-tsiny aza Abimeleka, dia tsy maintsy naveriny ho any amin’ ny vadiny ihany Saray; fa tsy fijaliana ihany no hahazo an’ i Abimeleka raha nandà, fa ho tonga AMINY SY NY ANKOHONANY KOA NY FAHAFATESANA… BETSAKA NY RAY AMAN-DRENY no mijaly amin’ ny androm-pahanterany satria tsy nampitandrina ny zanany lahy na vavy tsy hanambady olona efa nisaraka am­panambadiana no nataony, fa ny nampirisika azy mihitsy aza ka nihevitra fa mety amin-janany ny hanambady olonatoy izany, na dia handrava tokantranon’ olona aza izany…Nataony izany satria nantenainy fa ho vady tsaratsara kokoa ho an’ ilay olona ny zanany ! HEVERINY FA TSY MIRAHARAHA IZANY MIHITSY NY FITSARAN’ ANDRIAMANITRA. Tsy mahazo maka vadin’ olona ny lehilahy, toy izany koa ny vehivavy. Raha mandika izany didin’ Andriamanitra mazava izany izy dia hijinja aretina sy fahafatesana izay fisarahana mandrakizay amin’ Andriamanitra ary fanamelohana mandrakizay any amin’ ny helo ho famaizana.

Tsy noho ny hoe satria mifankatia izy roa; tsia, fa « feno fitaka ny fon’ olombelona sady tena ratsy », hoy Andriamanitra; koa mety ho tia ota ny fo ratsy kanefa hamono azy ara-nofo izany ota izany ary hahavery azy any amin’ ny helo mandrakizay ! Fa tsy misy mahazo miditra any an-damtra na ny mpuangajJangga, na ny olom-betaveta, na ny mpierina ! Aza mety hofitahin’ olona amin’ ny teny foana ianareo; fa izany zavatra izany no mahatonga ny fahatezeran’ Andriamanitra amin’ ny zanaky ny tsy fankatoavana. (Efe. 5:5-6).

hitohy…