Sakano ny zanakao tsy hijangajanga

Faizin’ Andriamanitra ny ray aman-dreny matetika noho ny tsy fandrarany ny zanany tsy hijangajanga sy tsy hanaozava-betaveta ! Mpaminany sady mpisoronabe Ely, kanefa satria nahalala izy fa nandry tamin’ ireo vehivavy tonga tao amin’ ny tempoly mba hivavaka ny zanany lahy, izay efa tonga taona, ary na dia mba niteny an-janany ihany aza Ely,kanefa tsy nisakana azy tamin’ ny tsorakazo (I Sam. 2:22; I Sam. 3:12-14), dia nofolahin’ Andriamanitra ny vozony ary novonoiny ny zanany roa lahy (I Sam. 4:14-18).Tompon’ andraikitra amin’ny fandrarana ny zanany tsy hikasika na haka vadin’ olona ka handrava ny tokantranon’ ny hafa ny ray aman-dreny.

Raha manao ny asa ampanaovin’Andriamanitra azy ny ray aman-dreny fa tsy lany andro amin’ ny fitadiavam-bola izay hahazoan’ ny zanany vavy hividy haingo fotsiny na mba hahazoan’ ny zanany lahy hividy fiarakodia vaovao fotsiny, ary raha amafisiny tsara amin-janany ny tsy tokony hieritreretany akory izay fisaraham-panambadiana, dia hahavonjy ny tenany sy ny zanany tsy ho azon’ aretina izy. (Kanefa matetika ny ray aman-dreny no mamela ny zanany hinamana sy hifanadala amin’ olona efa manambady), ka rehefa masaka ny fihavanana ka sendra mifamaly kely ny mpivady dia mihevitra ilay zanany fa afaka manome fahasambarana bebe kokoa ho an’ ilay olona adalainy. Ny antony toy izany dia ampy handravana tokantranon’ olona ka hanambadiany ilay vadin’ olona.

Tapeno hatrany am­boalohany izany hevi-petsin ny devoly izany ka asaovy mitandrina ny zanakao tsy ho roboka amin’ olona tsy manaja ny vadiny ! Raha tàhiny tsy mahita olona ho adalainy amin’ ireo olona tsara fitondrantena ny mpijangajanga,, dia vetivety foana izy dia hahatsiaro ny fahotany ka hanitsy ny fiainany!

Betsaka ny reny raha misaraka am-panambadiana ny zanany vavy, no mihevitra fa sitrak’ Andriamanitra ny hanambadian-janany indray mba tsy hahatsiarovany ny tenany ho singana irery, ary mba tsy hiadian’ izy mivady aminy intsony. Kanefa raha vao manambady indray izy dia tena mijangajanga mihitsy ary mampijangajanga ilay olona manambady azy indray. (Lioka. 16:18).