Lalana ROA

“Midira amin’ny vavahady èty ianareo, fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny lalana mankany amin’ny fahaverezana, ka maro no miditra any. Fa èty ny vavahady, ary tery ny làlana izay mankany amin’ny fiainana, ka vitsy ny mahita azy” 
(Mat. 7 : 13-14)

Lalana roa

Iza amin’ireo no hofidianao?

Teraka tamin’ny ota ny olona rehetra, sady manana toetra tia ota satria taranak’i Adama isika rehetra, ary maty ao amin’i Adama koa ny olona rehetra”. IKor. 15 : 22

Ny lalan’ny ota no anjara iombonantsika. Nohazavain’i Davida izany raha nilaza izy hoe : “indro tamin’ny fahotana no niterahana ahy, ary tamin’ny fahotana no torotoronina ahy ny reniko”. Sal. 51:5.
Rehefa tonga eo amin’ny taona izay ahafahany mandinika sy mitsara ny olona iray, dia manomboka miasa ao anatiny ny ota. Manjary tompon’andraikitra manokana ny amin’ny ota izay nataony izy.

“Ny fanahy izay manota no ho faty”, hoy ny voasoratra ao amin’ny Ezek. 18 : 4. Eo amin’izany toerana manokana eo amin’ny fiainana izany, no misampana ny lalana. Hoy Jesosy, mitarika ho any amin’ny fiainana mandrakizay ny lalana èty, ka vitsy no mahita azy, fa ny lalana malalaka kosa dia mitondra ho any amin’ny fandringanana (fahaverezanana) ka maro no miditra any.