Raha fantatra fa ho avy anio alina Jesosy

« Koa miomana kosa ianareo fa amin’ny ora tsy hampoizinareo no hiavian’ny Zanak’olona. »
Matio. 24 : 44

RAHA FANTATRA FA HO AVY ANIO ALINA JESOSY !

Poa toy izay dia ho feno olona mivavaka ny fiangonana ;

Ho foana ny trano fijerena sary mihetsika (sinema), ny toeram-pisotroana zava-mahamamo, ny toeram-pandihizana sy ny toeram-pilalaovana ary ny toeran-kafa tsy araka an’Andriamanitra ;

Tsy hisy intsony ny lalao baolina, ny sary mihetsika, na ny raharaha hafa an’izao tontolo izao ;

Hijanona ny fanozonana, ny fitenenan-dratsy, ny fianianana ary ny fiteny tsy mahomby rehetra;

Tsy hisy intsony ny fihinanan-kanina ao am-piangonana ;

Hanasa ny tavany ny vehivavy izay nandoko ny endriny ary hanao fitafiana mahamendrika ;

Hanakatona ny efitrano madio fandraisam-bahiny ny olona ka hivavaka miafina ao ;

Ary samy tsy hisy te hiseho ho mpanao hatsikana raha mifanatrika amin’i Jesosy ;

Samy hanary ny sigarany ny lehilahy, na ny vehivavy ka tsy te hifoka izany intsony.

Ho doran’ny ray aman-dreny ny literatiora maloto rehetra ka hoesoriny ao an-tranony ny karatra sy ny zava-maloton’ny devoly ;

Tsy hisy intsony ny filalaovan-dratsy na eny amoron-dalana, na any an-trano ;

Tsy hisy na dia iray aza no hiangaviana handray anjara amin’ny asan’Andriamanitra fa samy te-ho eo am-piasana avokoa raha tonga Izy ;

Tsy hisy hiteny lainga, na hisy hiala tsiny ny amin’ny tsy nanaovana asa ho an’Andriamanitra ;

Hihazakazaka hiezaka hangataka famelan-keloka izay nitana lolompo tamin’ny namany ;

Ilay lela tranainy tia resa-poana hitsahatra amin’ny laingan’ny devoly ka hanomboka hangataka ny famindrapon’Andriamanitra ;

Ny mpitoriteny maoderna dia hitady fatratra ka hikaroka amin’ny hatairana ny bokin’ny sermona izay misy ny tena famonjena ka handoro izay tsy an’Andriamanitra, dia ny sermona sy ny boky maoderna ;

Ny mpitoriteny sy mpino izay milaza fa tsy misy atahorana ny « mandrakizay » dia hanapa-kevitra tampoka satria tsy manana antoka akory izy, ary hanomboka hangataka amin’Andriamanitra mba hamelany ny fanahy marobe ho any amin’ny helo ;

Ny elanelam-pahy misy ny mpitoriteny, izay tokony ho amin’ny fahamasinana dia hahatsapa avy hatrany ny fahadisoana izay nisy azy ka hanomboka hitady an’Andriamanitra mba hamonjy azy ;

Hijanona ny televiziona ary hiezaka mba hanala azy ao aminy alohan’ny ahatongavan’ny Tompo, izay manana azy ;

Tondraky ny fiantsoan’ireo izay te-handoa ny trosany taloha ny mpivarotra mba hanadio ny andraikitra tsy vita tamin’ny fifanekena ;

Tondraky ny vola ny asan’Andriamanitra, ka ny mpandroba an’Andriamanitra dia hikatsaka ny handoa ny ampahafolon-kareny sy ny fanatitra izay nofihininy ;

Ny vehivavy sy ny lehilahy izay niaina tamin’ny fijangajangana niaraka tamin’ny hafa dia handao ireny ka hiezaka hanadio ny fiaianany tsy ara-dalàna ;

Ho foana ny toerana mangatsiaka fitehirizan-tsakafo « réfrigérateur » ka tsy hisy divay, na toaka na labiera ary na inona na inona izay mitondra ny fanamelohan’Andriamanitra ;

Ho lanitra ny ora vitsy eto an-tany mialohan’ny ahatongavan’ny Tompo, ka hitady izay marina tokony hatao ny tsirairay avy, dia izay heverina fa tian’ny Tompo hataony ;

Omen-kanina ny fianakaviana mahantra ; Ny marary hohampaherezina ; Ny migadra hovangiana ; Izay azom-pahasahiranana hahazo fanampiana ;

Ary hanao izay tian’Andriamanitra ho ataony ny tsirairay avy araka ny hoe : « Izay nataonareo tamin’ny anakiray amin’ireto kely indrindra ireto no efa nataonareo tamiko koa ».

Koa ho avy Jesosy, ry rahalahy sady tsy fantatsika ny fotoana.

Raha tsy tianao ny hanao ireo zavatra ireo rehefa miverina Izy, dia mialà amin’izany dieny izao. Ny tsara tokony hataonao : « Diovy ny tenanao ho afaka amin’ny fahalotoana REHETRA, na amin’ny nofo, na amin’ny fanahy, mba hahatanteraka ny fahamasinana amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra ». (II Kor. 7 : 1).

Satria Jesosy nanolotra ny ainy ho an’ny fiangonana « mba hahamasina azy amin’ny hanadiovany azy amin’ny rano fanasana amin’ny teny, ka haseho ny tenany ho fiangonana manana voninahitra, tsy misy pentimpentina na fikentronana, na izay toy izany, fa mba ho masina sady tsy misy tsiny izy ». (Efe. 5 : 26-27).

« Koa amin’izany miambena ianareo, fa tsy fantatrareo na ny andro, na ny ora ». (Mat. 25 : 13).

Vonona ny amin’ny fiaviany ve ianao ?