Ny Fomba hamonjena anao

Ny famonjena

Ny famonjena no foto-kevitra lehibe indrindra ao amin’ny tantaran’ny Filazantsara, ary izy no hafatra lehibe indrindra nampitondraina ho an’ny olona. Taon-jato maro talohan’ny nahatongavan’ny Mesia no efa naminanian’i Isaia ny hiaviany ka nanaovany hoe: “Izy tokoa no ho avy ka hamonjy anareo” (Isa.35:4). Raha nanambara ny hahaterahany ny anjelin’Andriamanitra dia nilaza ny momba an’i Maria tamin’i Josefa hoe: “hiteraka zazalahy izy ary ny Anarany hataonao hoe “Jesosy”; fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotany” (Mat.1:21). Izany no nanirahana Azy teto an-tany. Hoy Izy: tonga any Zanak’olona mba hitady sy hamonjy ny very”. (Lio.19:10). Nanamafy ny Apostoly Paoly fa “tonga tety ambonin’ny tany Kristy hamonjy ny mpanota” (ITim.1:15). Petera nilaza fa nasandratr’Andriamanitra Kristy ho “Tompo sy Mpamonjy” (Asa .5:31); fa araka ny Hebreo kosa dia mbola “mahavonjy tokoa izay manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany Izy, satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy”. (Heb.7:25). Ka noho izany ny famonjena dia tsy maintsy ho :

Zavatra azo atao ankehitriny

Voalaza ao amin’ny Testamenta Vaovao, hatrany am-piandohana ka hatrany am-piafarany, fa mety ho azon’ny olona amin’izao maha eto ambonin’ny tany azy izao ny famonjena. Raha nanontany ilay Filipiana mpiandry tranomaizina hoe : “inona no mety hataoko mba hamonjena ahy?” dia nomena azy niaraka tamin’izay ny valiny hoe minoa an’i Jesosy Kristy Tompo dia hovonjena ianao” (Asa.16:30,31). Ary hoy Paoly : “tsy menatra ny Filazantsaran’i Kristy aho; fa herin’Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany” (Rom.1:16).

Ary indray “raha manaiky an’i Jesosy ho Tompo amin’ny vavanao hianao ary mino amin’ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana azy tamin’ny maty, dia hovonjena hianao” (Rom.10:9). Hoy izy tamin’ny Korintianina: “ka dia ny fahadalan’ny fitorianteny no sitrak’Andriamanitra hamonjeny izay mino” (IKor.1:21). Hoy koa izy amin’ny fiteny hentitrentitra kokoa; “indro ankehitriny no andro fankasitrahana, indro ankehitriny no andro famonjena” (IIKor.6:2).

Maro ny olona voafitak’i Satana amin’ny finoana ny lainga mampidi-doza hoe hahazo famonjena izy indray andro any na manao ahoana na manao ahoana.

“Indro ankehitriny no andro fankasitrahana, indro ankehitriny no andro famonjena”. Andriamanitra anie hanampy ny olo-marina rehetra mba hahita fa tsy maintsy azo izao ny famonjena, na tsy ho azo mihitsy.

Efa nisy nahazo azy io.

Ny fanamarinana tsara indrindra milaza fa mety ho azo amin’izao fotoana ny famonjena dia ny efa nahazoan’ny sasany azy. Manamafy Paoly ao amin’ny IITim.1:9 fa Andriamanitra “namonjy antsika ary niantso antsika tamin’ny fiantsoana masina”. Nanoratra izao ho an’ny rahalahy sasantsasany Petera: efa nandray “ny anton’ny finoanareo, dia ny famonjena ny fanahy” (II Pet.1:9). Ary izao no filazan’i Paoly ny amin’ny asa nosoritan’i Kristy ao am-pon’ny olona: “araka ny famindram-po no namonjena antsika, tamin’ny fanasan’ny fahaterahana indray sy ny fanavaozan’ny Fanahy Masina (tim.3:5) “fahasoavana no namonjena anareo” (Efes.2:5,8) “fa ny teny ny amin’ny hazo fijaliana dia fahadalana amin’izay ho very, fa herin’Andriamanitra kosa amintsika izay hovonjena” (IKor.1:18).

Inona no hevitry ny famonjena

Fa inona moa no hevitr’ity “famonjena” ity? Raha ara-bakiteny dia fanafahana no heviny; ary noho izany dia fanafahana amin’ny ota no heviny amin’ny fampiasana azy amin’ny ara-panahy. Aoka ny tenin’Andriamanitra no hanome ny heviny : “ary ny anarany hataonao hoe Jesosy; fa izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotany” (Mat.1:21) “ary fantatrareo fa Izy no hanaisotra ny ota” IJao.3:5. “izao no nisehoan’ny zanak’Andriamanitra dia ny handrava ny asan’ny devoly” and.8 “izay nanolotra ny tenany noho ny fahotantsika, hanafahany antsika amin’izao mpiara-belona ratsy fanahy izao” (Gal.1:4)

Mazava dia mazava tokoa ny Tenin’Andriamanitra, koa mahagaga antsika ny maha-diso fandray ny olona maro ny amin’ny fampianarana izany. Tena tombotsoa mahafinaritra ho an’ny olo-meloka rehetra ny mahazo fanafahana malalaka sy tanteraka ary avy hatrany amin’ny ota rehetra. “raha miaiky ny fahotantsika isika, dia matoky sy marina izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsi-fahamarinanana rehetra” (IJao.1:9,7). “ho an’izay tia antsika ka nanasa antsika ho afaka aminn’ny fahotantsika tamin’ny Rany” (Apok.1:5).

Na dia mino aza ny Kristiana rehetra fa nalatsaka noho ny fahotana ny ran’i Kristy, dia mbola tsy ampihariny amin’ny tenany tsirairay avy araka ny tokony hatao izany zava-dehibe efa nomanina ho azy izany, hany ka tsy mahatsapa izy fa mahazo famonjena dieny izao ankehitriny izao. Marina fa maty ho an’izao tontolo izao sy noho ny fahotan’izao tontolo izao Kristy, kanefa tsy hahazo izany tombotsoa lehibe izany raha tsy ny tena mihitsy no mandray azy ary mampihatra azy. Ao amin’ny Jaona 1:12 dia hoy Andriamanitra hoe: “izay rehetra mandray azy dia omeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra”.

Jesosy no Zanak’Ondrin’Andriamanitra izay nanaisotra ny fahotan’izao tontolo izao (izany hoe efa voaomana ny famonjena izao tontolo izao, raha mety handray izany izy) kanefa ireo izay mandre, sy mino ary manaiky ao amin’ny tenany fa maty Kristy ho famonjena azy, ireo ihany no hahazo tombotsoa amin’izany famonjena lehibe izany ka hahatsapa izany eto amin’izao fotoana ankehitriny izao dia araka izay nohamafisin’i Jesosy tamin’ny nanaovany hoe: manana fiainana mandrakizay “ (ny manana dia ampiasaina amin’ny ankehitriny, koa dia fahatsapana ankehitriny izany, izay ananan’ny mino ka mahatonga azy ho tafiditra avy amin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana ka tsy handalovan’ny fitsarana intsony). Tsy hoe fanantenana na faniriana fotsiny no tokony hananana fa tena fahatsapana ankehitriny mihitsy fa manana fiainana mandrakizay ary tsy handalo ny fitsarana.

Mariho ny ampifandraisin’ny Apostoly Paoly ny famonjena sy ny vokany ao amin’ny fo sy fiainan’ny olona tsirairay avy. “Fa efa miseho ny fahasoavan’Andriamanitra  , izay famonjena ny olona rehetra, mampianantra antsika handà izay toe-panahy tsy araka an’Andriamanitra sy ny filan’izao tontolo izao, ary ho velona amin’ny oniny sy ny marina ary ny toe-panahy araka an’Andriamanitra amin’izao fiainana ankehitriny izao, miandry ny fanantenana mahafinaritra sy ny fisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra  lehibe sady mpamonjy antsika, dia Jesosy Kristy, izay nanolotra ny tenany hamonjy antsika, mba hanavotany antsika ho afaka amin’ny ota rehetra sy hanadiovany izay olona ho an’ny tenany, sady ho mazoto indrindra amin’ny asa tsara izany”. Tit.2:11-14.

Fanamarinana

Fomba maro no entina milaza ny famonjena ao amin’ny Soratra Masina dia fanamarinana, fiovana, fiterahana indray, ets, ary manana ny heviny manokana mikasika iry lohateny avy izy rehetra ireo. Tokony ho fantatry ny mpamaky anefa fa ireo teny rehetra ireo izay ampiasaina ho fampahatsiarovana eto amin’ity fizarana ity dia tsy mikasika afa-tsy asa tokana ihany dia ny asan’ny fahasoavana voalohany. Tsy amarinina aloha isika indray mandeha, dia ovana kosa indray avy eo, vao mahazo ny fiterahana indray, ets, teny ireo.

Hodinihintsika aloha ny amin’ny fanamarinana. Io no endriny amin’ny ara-dalàna. Ny hoe manamarina dia manala ny maha meloka. Efa nodinihantsika ny amin’ny andraikitry ny olona eo anatrehan’ny lalàna, ary nasehontsika fa tsy manan-kery hanafahany ny tenany amin’ny zavatra marina takian’ny lalàna ny olona raha mandika lalàna. Fa Kristy no efa nanolotra ny tenany ho avotra ho an’ny mpanota nanome fahafaham-po ampy ho an’ny fitsaran’Andrimanitra; ary amin’izany lalàna izany no ametrahantsika ny fahotantsika aminy (Kristy) raha ibebahantsika araka izay lazain’ny Baiboly; dia homena antsika ny fahamarinany hahazoantsika mijoro eo anatrehan’Andriamanitra tahaka ny olona tsy nanota. Izany no fanamarinana. Izao no teny entin’i Paoly milaza azy: “fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra, nefa hamarinina maimaim-poana amin’ny fahasoavany izy noho ny fanavotana izay ao amin’i Kristy Jesosy izay nasehon’Andrimanitra tamin’ny Rany ho fanavotana amin’ny finoana, hanehoana ny fahamarinany amin’ny tsy namalian’Andrimanitra ny fahotana lasa tamin’ny nandeferany, mba hanehoana ny fahamarinany ankehitriny, mba ho marina izy sady hanamarina izay manana finoana an’i Jesosy…. Koa amin’izany dia ataontsika fa finoana no anamarinana ny olona…”. Rom.3:23-28.

“Izay tsy mahalala ota dia efa nataony ota hamonjy antsika, mba ho tonga fahamarinan’Andrimanitra ao aminy kosa isika”. IIKor.5:21. Fa raha ny fahadisoan’ ny olona anankiray no nanjakan’ny fahafatesana noho ny nataon’ny anankiray, mainka izay mahazo ny haben’ny fahasoavana sy ny fanomezan’ny fahamarinana no hanjaka amin’ny fiainana noho ny nataon’ny anankiray, dia Jesosy Kristy. Koa tahaka ny nahatongavan’ny fanamelohana ho an’ny olona rehetra noho ny fahadisoana no nahatongavan’ny fahamarinana ho amin’ny fiainana kosa ho an’ny olona rehetra noho ny fahamarinana iray. Fa tahaka ny nanaovana ny maro ho mpanota noho ny tsi-fanarahan’ny olona iray ny hanaovana ny maro ho marina kosa noho ny fanarahan’ny anankiray”. Rom.5:17-19.

Rehefa tonga eo amin’ny toetra mifanaraka amin’ny tenin’Andrimanitra isika ary am-pinoana no anekentsika an’i Jesosy Kristy ho Mpamonjy ny tenantsika dia atao izany famindrana ara-dalàna izany (raha azo atao ny mampiasa izany fomba fiteny izany) ka dia heverina ho tonga eo amin’ilay toerana mifanaraka indrindra amin’ny lalàn’Andrimanitra isika. “Koa amin’izany satria efa nohamarinina tamin’ny finoana isika dia aoka isika hanana fihavanana amin’Andriamanitra  amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika”. Rom.5:1.

Misy fampianarana diso sy mamitaka anankiray izay saika mahazo laka eo amin’ny Kristiana ankehitriny, dia ilay mamela ny Kristiana hanota sy tsy hankato isan’andro, kanefa dia mbola hihevi-tena ho marina ihany. Inoana mantsy fa isaina ho fahamarinany sy fankatoavany an’i Kristy ny fanekeny Azy ho ny Mpamonjy izao tontolo izao. Fa aoka ho tadidintsika tsara fa ny fahamarinan’Andriamanitra izay lazain’i Paoly fa ekena ho antsika dia tsy mahasahana afa-tsy ny “ota efa lasa”, dia ireo izay natao talohan’ny nahitantsika an’i Kristy. Hatramin’ny fotoana nanamarinana antsika dia tsy maintsy velona “amin’ny fahamarinana sy fahamasinana eo anatrehany isika amin’ny androm-piainantsika rehetra”. Lio.1:75. Efa nilaza mialoha Paoly sady nanohitra izany hevi-diso momba ny fanomezana ny Kristiana ny fahamarinan’i Kristy izany ka nanao hoe: “mbola hitoetra amin’ny ota ihany va isika hitomboan’ny fahasoavana?”. Ny fiheverana izany fotsiny dia efa nolavin’ny sainy ka namaly hoe izy: “sanatria izany! Hataontsika izay efa maty ny amin’ny ota ahoana no ho velona aminy ihany?”. Rom.6:1,2.

Fihavaozana

Raha fanafahana ara-dalàna no hevitry ny hoe fanamarinana tamin’ny voalohany, izany hoe mifanohitra amin’ny fanamelohana, dia fiovana mitranga ao anatin’ny olona kosa ny fihavaozana, ka dia samy hafa izany ny zavatra entin’ireo. Kanefa kosa mitovy ny samy maha zava-dehibe azy ireo eo amin’ny fifandraisany amin’ny endriky ny famonjena samy hafa.

Raha teny fotsiny no dinihina dia “fiovana avy amin’ny toetra iray makamin’ny toetra iray” no heviny; ary izany no ampiasana azy amin’ny toetra ivelany fotsiny, na koa ampiasaina izy indraindray ho enti-milaza fiovam-pinoana na ny foto-pinoana ekena. Fa be lavitra noho izany ny fihavaozana araka ny Baiboly na ny fihavaozana mahavonjy, satria tena fiovam-po sy fiainana mihitsy no heviny. “koa mibebaha hianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo mba ho avy izay andro famelombelomana avy amin’ny fanatrehan’ny Tompo.” Asa.3:19. “afeno ny tavanao ny fahotako ary vonoy ny heloko rehetra. Amorony fo madio aho Andriamanitra ô; ary havaozy hiorina marina ny fanahy ato anatiko. Dia hampianatra ny olon-diso ny lalanao aho; ary ny mpanota hampiverenina aminao.” Sal.51:9,10,13. Natao ho tsy maintsy ilaina io fahatsapana io noho ny amin’ny ota, ary Jesosy mihitsy no nanao hoe “raha tsy miova hianareo ka tonga tahaka ny zazakely dia tsy hiditra ny fanjakan’ny lanitra hianareo.” Mat.18:13.

Ny fahaterahana indray

Ny fahatsapana ny famonjena azo amin’ny alalan’i Jesosy Kristy dia lazaina koa hoe fahaterahan’ny fanahy. Ny tenan’i Jesosy no nampiditra io fampianarana io. “tonga tany amin’ny azy Izy, fa ny azy tsy nandray Azy. Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra , dia ireo izay mino ny Anarany: dia ireo izay tsy nateraky ny ra, na ny sitrapon’ny nofo, na ny sitrapon’ny olona, fa naterak’Andriamanitra .” Jao.1:11-13. Araka io teny io dia naterak’Andriamanitra  ireo izay nandray an’i Kristy sy nino ny Anarany nandritra ny naha nofo azy.

Dia tahaka izany koa raha tonga tamin’ny alina Nikodemosy hanotany ny Mpamonjy, ary nanaiky azy ho Mpampianatra avy amin’Andriamanitra , dia namaly Jesosy ka nanao taminy hoe: “ lazaiko aminao marina dia marina tokoa, raha tsy ateraka indray ny olona dia tsy mahazo mahita ny fanjakan’Andriamanitra ”Jao.3:1-7. Fahaterahana ara-nanahary no nandraisan’i Nikodemosy izany ary tsy nety ho azony mihitsy izany hoe “fahaterahana indray” izany izay mety ho tsapan’ny olona na dia efa antitra aza. Dia nanazava Jesosy ka nanao hoe: “izay ateraky ny nofo dia nofo; fa izay ateraky ny Fanahy kosa dia fanahy. Aza gaga noho ny nilazako taminao hoe: tsy maintsy ateraka indray ianareo.”

Tena fototra lehibe mihitsy io fampianaran’ny fahaterahana indray io, satria raha tsy ateraka indray ny olona dia tsy azo antsoina ho tena Kristiana marina. Ny Kristiana mantsy dia olona tahaka an’i Kristy, ary tsy maintsy hovana avy amin’ny ota ho amin’ny fahasoavana ny mpanota alohan’ny hahatonga azy ho tahaka an’i Kristy, ary ny Fanahy no manao izany fiovana izany izay antsoina hoe fahaterahana indray.

Ny hevitra misongadina asehon’ny fahaterahana indray dia ny fahatongavana eo amin’ny fahavelomana. Aseho ho toy ny olona maty am-panahy ny mpanota ao amin’ny Soratra Masina. Ny fahafantarana an’Andriamanitra ary ny fikambanana Aminy amin’ny fahamasinana sy ny firaisana no fiainana mandrakizay, ary izany no tokony ho faritra ho tratrarin’ny fahasambaran’ny fanahy (Jao.17:3)

0