Administrator

Tratry ny taona 2021

Ny Ekipan’ny Lalamasaka Hatry ny Ela dia miarahaba antsika tratry ny Noely 2020, sy nahatratra ny Taona vaovao 2021. Taona nandalovantsika ady sarotra sy niaretana zavatra maro iny taona 2020 iny. Tsy vitsy tamintsika no nisedra aretina mafy na nihatra tamin’ny tena na teo am-pitsaboana fianakaviana sy namana. Tsy vitsy ihany koa no nindaosin’ny fahafatesana, ka isika velona dia tonga...

Zarao amintsika ny sarin’ny Fiangonanao

Alaivo sary ny trano fiangonanareo, sarin’ny mpino en groupe, batisa, evangélisation, fiadiana fototra, fanokanam-piangonana, sns dia azonareo atao ny mandefa azy mail aty aminay (lalamasaka@gmail.com) mba handaharanay azy eo amin’ny rubrique Rakitsary Aza adino ny mombamomba ny sary:– Sarin’ny Fiangonana.– Toerana : anaran-tanàna, commune, distrika sns.– Ny mpitandrina mitondra ao ankehitriny.– Raha hainao ny mamaritra azy amin’ny google map dia...

Aza manamelo-tena

Rehefa tonga rembin’ny fahotana ianao dia tsy maintsy ho tonga amin’ny fanamelohan-tena. Misy karazany roa ny fanamelohan-tena mahazo anao : Ny iray voalohany dia mamporisika anao hiantoraka eo an-tongotry ny Tompo. Ny Faharoa kosa dia miezaka mandresy lahatra anao fa tsy afaka ny hamela heloka anao intsony Andriamanitra raha vao tafavily niala tamin’ny lalana marina ianao. Fantaro fa io fanamelohan-tena...

Rev. Mounir Aziz Daoud

Misionera sady Mpanonta Baiboly. Teraka tao Iraq ary lehibe tany Egypta. Nanangana ny ozinina lehibe mpanota Baiboly izy sy ny vadiny Jane Collins Daoud tao Dallas Texas, dia ny International Bible Association, toerana fanotana Baiboly lehibe izay mandika sy mizara Baiboly amin’ny fitenim-pirenena maro. Izy ireo no Mpanorina ny Fiangonana Jesosy Mamonjy eto Madagasikara, izay hany fiangonana naoriny tamin’ireo firenena...