AZAFADY, Tsy fantatro mihitsy IANAREO…
AZAFADY, Tsy fantatro mihitsy IANAREO…
« MANDEHANA MANOMPO ILAY NOTOMPOINAREO TEO ALOHA… »
IZANY NO HOLAZAIN’ I JESOSY AMIN’ OLONA MARO AMIN’ NY ANDRO FARANY.
Nanonofy ny amin’ny andro fitsarana amin’ny andro farany ny mpino kristiana mpanara-pomba iray ka nahita olona an-tapitrisany maro miankohoka mivavaka. Nanifikifika ny lohany tamin’ alahelo Jesosy Kristy Mpamonjy ary izao no teny reny nambaran’i Jesosy : « Azafady tsy fantatro ianareo… mandehana manompo ilay notompoinareo teo aloha… »
Milaza amintsika ny Baiboly fa mpanompon’ izay ankatoavintsika isika. Hoy ny Rom. 6 : 16. « Tsy fantatrareo ve fa raha manolo-tena ho mpanompo ianareo na ho an’iza na ho an’iza dia mpanompon’ izay ankatoavinareo, na ny ota ho amin’ ny fahafatesana na ny fankatoavana ho amin’ny fahamarinana ».
Mampianatra antsika io andininy ao amin‘ny Baiboly io fa mpanompon’izay ankatoavintsika eto amin’izao fiainana izao isika.
Raha mankatò ny devoly sy manota isika, dia tonga mpanompon’ny devoly, fa raha mankatò ny tenin’Andriamanitra dia mpanompon’Andriamanitra.
Amin’ny farany, amin’ny andro fitsarana, dia an-tapitrisany no handre ny fitsarana farany fa tsy nahalala azy mihitsy Jesosy, na nanana fiombonana taminy… Kristiana mpanarapomba fotsiny izy ireo.

Nankatò ny devoly izy ka niaina tao amin’ ny fahotana sy tsy nankatò an’Andriamanitra… ka dia zanaky ny devoly izy… ary dia tsy mahazo miditra ny lanitra izy fa alefa any amin’ ny helo izay misy ny devoly notompoiny teo aloha tety an-tany.
Nitohy ilay nofy dia namaly ireo olona an-tapitrisany ka nanao hoe : Tompo ô, Kristiana foana anie izahay hatramin’ izay é, ary natao batisa sy nanome fanatitra tao am-piangonanao ! Nijery ny Bokin’ ny fiainana Jesosy ary nanifikifika ny lohany tamin’ alahelo indray Izy, raha napetraky ny anjely teo ankavia ireo ary nanifikifika ny lohany tamin’alahelo indray Jesosy, dia hoy Izy : « Azafady, TSY FANTATRO MIHITSY IANAREO, mandehana manompo ilay efa notompoinareo teo aloha… » dia notarihin’ ny anjely ireo olona an-tapitrisany ireo ho any amin’ ny anjarany mandrakizay any amin’ ny helo.
Ao amin’ ny Baiboly dia vakiantsika izay nolazain’ i Jesosy tamin’ ny Fariseo izay tonga nanatona Azy sady niteny taminy fa zanak’ i Abrahama izy.
Aoka ho vakiantsika izay lazain’ ny Baiboly. (Jao. 8 : 33-39) « Ary ireo namaly Azy hoe : taranak‘i Abrahama izahay, ary tsy mbola an-devon’olona mihitsy ; nahoana no ataonao hoe : Ho afaka ianareo ?
Namaly azy ireo Jesosy hoe : Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa, izay manota dia mpanompon’ ny ota. Ary ny mpanompo tsy mitoetra ao an-trano mandrakariva ; fa ny zanaka no mitoetra ao mandrakariva. Raha ny Zanaka no hahafaka anareo dia ho afaka tokoa ianareo. Fantatro fa taranak’ i Abrahama ianareo ; nefa mitady hamono Ahy ianareo satria ny teniko tsy manana toerana ao aminareo. Izay hitako tamin’ny Raiko no lazaiko, ary ianareo kosa manao izay hitanareo tamin’ny rainareo. Dia namaly ireo ka nanao taminy hoe : Abrahama no rainay.
Hoy Jesosy taminy : Raha zanak’i Abrahama ianareo dia ny asan’i Abrahama no hataonareo ».
Ry mpamaky malala, aza mety hofitahina.
Mazava ny tenin’Andriamanitra… izay maha-izy anao ankehitriny no toerana hisy anao sy izay ho toetranao any amin’ ny mandrakizay. Nambaran’i Jesosy mazava tamin’ny mpihatsaravelatsihy sy ny Fariseo ao amin’ny and. 44 hoe « zanaky ny devoly rainareo ianareo, ary ny filàn’ny rainareo no ataonareo ». Ny fanaovana fampiharana ny fombafombampivavahana kristiana, ny maha-vita batisa, ny fanatrehana fivoriam-piangonana ara-dàlana ary ny famakiana Baiboly indraindray dia tsy manorina mpino marina sy finoana marina an’ i Jesosy izay mamonjy ny fanahinao. Ny finoana marina an’i Jesosy dia manova ny fon’ny olona sy ny fitondrantenany… hanova ny fomba fiainany…
Ny finoana marina an’Andriamanitra dia mahatonga ny olona hatahotra an’Andriamanitra, ary izany tahotra izany no mahatonga azy hankatò ny didin’Andriamanitra sy ho tia an’Andriamanitra ary hanompo Azy amin’izao fiainana izao…
Koa dia nifarana ilay fahitana tamin’ny fanehoana fa na iza na iza tsy voasoratra tao amin’ny Bokin’ny fiainana dia natsipy tany amin’ny farihy afo (Apo. 20 : 15). Tsy fombam-pivavahana akory ny maha-kristiana… fa fiainana izay raisintsika avy amin’Andriamanitra ary ny fiainan’Andriamanitra monina ao anatintsika izay manova antsika hatrao anaty ka hatrety ivelany… dia monina ao am-pontsika sy ao anatintsika Jesosy. Monina ao anatintsika ny Fanahy Masina… izany no nolazain’i Jesosy. « Raha tia Ahy ianareo, dia ho tia anareo ny Ray, ka honina ao anatinareo izahay »… Hoy Jesosy hoe : « Mitsangana eo am-baravarana Aho », (ny fo sy ny sitrapon’ny olona no varavarana), raha misy mamoha dia hiditra Izy ka hitondra ny fitahiany.
Fahatsapana marina izay ananantsika eto an-tany izany.
Hoy Jesosy tamin’i Nikodemosy: « Tsy maintsy ateraka indray ianareo… » dia nohazavain‘i Paoly ny fomba hahavoavonjy ao amin’ny (Tit. 3:3-7).
« Fa isika koa dia adala fahiny, tsy nankatò, voafitaka, andevon’ny filàna sy ny fahafinaretana maro, nivelona tao amin’ny lolompo sy ny fialonana, sady hala no nifankahala. Fa taorian’ izany dia niseho ny fahamoram-panahy sy ny fitiavan’Andriamanitra Mpamonjy antsika, tsy avy tamin’ny asan’ny fahamarinana izay nataontsika, fa araka ny famindrampony no namonjeny antsika, tamin’ny fanasan’ny fiterahana indray sy ny fanavaozan’ny Fanahy Masina, izay naidiny betsaka amintsika tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy Mpamonjy antsika ; mba hohamarinina amin’ny fahasoavany isika, ka ho tonga mpandova araka ny fanantenana ny fiainana mandrakizay ».
Lazainy ao amin’ny and. faha-3 izay nisy antsika sy izay misy antsika. Ny and. faha-4 dia milaza ny fahamoram-panahin’Andriamanitra sy ny fitiavany ny olona.
Ny and fana-5 dia milaza amintsika fa tsy amin’ny asa tsara ataontsika no mahamendrika antsika hahazo ny famonjena… fa noho ny famindrampony amin’ny alalan’ny fibebahana sy ny fahaterahana indray… ateraka indray amin’ny alalan’ny Fanahy Masina izay manavao ny toetrantsika sy ny fanahintsika ary ny fiainantsika.
Mamela antsika Izy sady mana-marina antsika, manome famelan-keloka feno sy manome antsika ihany koa fandovàna ny fiainana mandrakizay… Izany rehetra izany dia noho ny famindrampon’Andriamanitra sy ny fahasoavan’Andriamanitra maimaim-poana tamin’ny alalan’ny fahamendrehan’i Jesosy Kristy Zanany, satria nisolo toerana antsika teo amin’ny hazofijalian’i Kalvary Jesosy, nisolo voina ny famaizana ny otantsika Izy, dia nekena isika ary voavela noho ny Aminy… amin’ny alalan’ny fepetra iray: Raha mibebaka sy mandray ny fitiavany isika…
Fa tsy mety ho voavonjy isika raha mitohy mivelona amin’ny ota sy ny lainga ary ny karazam-paharatsiana rehetra… Nitory Jesosy hoe : MIBEBAHA… Niteny tamin’ny Apostoly Izy mba hitory ny fibebahana satria masina Andriamanitra, ka tsy azontsika atao ny hanana ny Tompo ao amin’ny fiainantsika ao anatin’ny fiainam-pahotana.
Manomboka eto amin’ity izao tontolo izao ity ny fiainana mandrakizay ary mahazo ny fiainana mandrakizay isika raha mibebaka sy mitohy mivelona amin’ny fiainana masina. Inona ny fibebahana ? Ny fialana tanteraka amin’ilay fomba fiainantsika teo aloha, mitsahatra amin’ny lainga, manitsy ny diso ho marina, mamerina izay nosamborina, sns…
Azo atao izany, mibebaka fotsiny isika dia manolotra ny fiainantsika sy ny fontsika ho an’i Jesosy dia ovany isika sady vonjeny. Mitsidiha ny fiangonana Jesosy Mamonjy dia ho faly izahay hanampy anao, hiaraka hivavaka aminao sy ho anao mandra-pahavoavonjy anao ka hizotra mankany an-danitra sady hanana ny tena fahasambarana.
Raha nahasoa anao ity Trakta Ity dia manasa anao Izahay hanatona sy hanaraka ny fivoriana Izay atao ao amin’ny fiangonana « Jesosy Mamonjy » akaiky anao mba ahazoanao mandre ny fanazavana ny Tenin’Andriamanitra sy ahazoana manome torohevitra anao.