Vaovao

0

Herinandro Masin’ny Paska

Ao anatin’ny herinandro fankalazana ny Paska isika. Ity herinandron’ny Paska ity no vanim-potoana manan-danja indrindra eo amin’ny fivavahana kristiana. Asa lehibe roa mantsy no nataon’ny Tompo ho antsika izay mampiorina ny finoantsika ka mahatonga antsika mitoetra sy mijoro amin’izao fanarahana an’Andriamanitra izao : dia ny Famonjena sy ny Fanasitranana. Izy no fotoana hahatsiarovana ny tantaran’ny Famonjena nataon’i Kristy izay ananantsika ankehihitriny....

Fankalazana ny Faha 60 taona Jesosy Mamonjy

Ho fanomanana ny Fankalazana, Antso ho an’ny mpitendry mozika akostika rehetra. (Jereo eo amin’ny Affiche ny instrument anao. Raha mahay instrument accoustique hafa dia azo atao hatrany ny miantso) Sabotsy 25 feb 2023 amin’ny 9ora sy 30mn. Jesosy Mamonjy Ankorondrano, akaikin’ny Sonorisation. Infoline: Musics and Voice Orchestra | 034 46 165 00

0

Arahaba nahatratra ny taona 2023

Ny Ekipa rehetra eto amin’ny Lalamasaka Hatry ny Ela dia miarahaba antsika nahatratra ny taona 2023. Maro no nahatsapa fa taona mafy dia mafy teto amin’ny firenentsika izay taona roa farany nandalovantsika izay. Nisy ny nandalo aretina mafy, nitsabo ny marariny, nilaozan’ny havana sy ny namana akaiky, very asa sy tena niady tokoa tamin’ny fiainana andavanandro, maro tamin’ny mpianatra no...

0

Fankalazana ny Paska

Ao anatin’ny herinandro fankalazana ny Paska isika izao. Fotoana lehibe izay ahatsiarovana ireo asa lehibe nataon’ny Tompontsika, dia tsy inona fa ny ASAM-PAMONJENA nataony teo amin’ny hazofijaliana, ary ny fiaretany ireo kapoka sy fampijaliana nitondrany ny aretintsika rehetra handraisantsika FANASITRANANA avy amin’ny dian-kapoka nentiny.Koa sitrakay ny hanolotra ho antsika ireto lahatsoratra ireto indrindra raha mbola mpanota mila famonjena ianao, na...

0

Tratry ny Noely2021/taona 2022

Mirary soa ho antsika rehetra ho an’ity taona vaovao 2022 ity. Honeran’i Jesosy anie ny simba rehetra tamin’iny taona ratsy iny. Nahazo taona vaovao isika fa miha antomotra ny andro. Miha ratsy izao fiainana izao. Fotoana hanomanan-tena ho amin’ny fihavian’ny Tompo izao. Koa izay nanao antsirambina ny fanoloran-tena dia miverena amin’ny fifantohana tanteraka hanamasin-tena indray. Vakio ny Baiboly, mivavaha isan’andro,...