Fitiavana refesina amin’ny Fankatoavana
FITIAVANA REFESINA AMIN’ NY FANKATOAVANA
Ny fitiavantsika tsy mba refesina amin’ ny fihetseham-po… toy ny hoe : impiry isika no mitomany, na ny fanambarana hoe toa inona no haben’ ny fitiavantsika an’ Andriamanitra… fa ny fitiavantsika dia asehon’ ny fankatoavantsika ! « Raha tia Ahy ianareo dia hitandrina ny didiko ». Miasa mafy ho an’ ireo tiantsika isika, ary ny fitiavana manamaivana ny asa. Tsy mahasorena ny mankatoa an’ Andriamanitra sy mitandrina ny didiny raha tia an’ i Jesosy isika ! Rehefa tonga matimaty isika, na namery ny fitiavantsika voalohany… ka mankatoa ny hafa raha tokony hankatoa an’ Andriamanitra, dia manaporofo izany fa MIHEMOTRA am-po isika… tokony hahitsy anefa ny fo raha hiditra ny lanitra isika. « Ary nahoana ianareo no miantso Ahy hoe : TOMPOKO, TOMPOKO, nefa TSY MANAO izay lazaiko ». Lio. 6 : 46.
Ny fitiavana dia mihoatra noho ny teny fotsiny. Tsy misy antony ny ilazana fa tia an’ i Jesosy ianao nefa tsy mankatoa izay lazainy.