Ny fomba hidirana ny lanitra
Mba tsy hahadiso làlana anao, na mpivavaka ianao na jentilisa, na iza na iza mamaky ity, dia indro atoronay anao amin’ny Anaran’i Jesosy Tompo ny fomba hidirana ny lanitra
Ary hoy Jesosy tamin’ny olona : Miseseha hiditra amin’ny vavahady ety ianareo ; fa hoy izaho aminareo : Maro no mitady hiditra fa tsy ho afaka. (Lioka. 13 : 24)
Maro ny olona no manao hoe : olom-boafidy ihany no mankany an-danitra. Tsy fantatro aho na olom-boafidy na tsia ! Miandry ny fiantsoana aho sns… Dia mionona amin’izay izy. Raha olona mamaky ny filazantsara anefa ianao dia hahalala fa ny fanjakan’ny lanitra dia rombahina ary ny mpandrombaka dia maka an-keriny. Satana dia mamitaka ny olona ka manao hoe :Mbola ho voavonjy ianao indray andro any fa andraso. Ny sasany kosa raha anontaniana hoe : Ho aiza ianao rehefa maty ? Asa hoy izy ! Tsy fantratro ! Izay alehan’ny olona rehetra dia mba halehako ! Raha izaho dia mba maniry ho any an-danitra aho !
Indrisy ! antsirambina loatra ny hoaviny ! Ny faniriana anefa dia tsy ahatongavana any fa tsy maintsy misesika izay rehetra te-hiditra any.
TSY MAINTSY HATERAKA INDRAY IANAO
Ary ao amin’ny Jao. 3 : 5 dia hoy Jesosy : Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa : Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny fanahy dia tsy mahazo miditra ny fanjakan’Andriamanitra izy.
Ny finoan’ny olona betsaka ankehitriny dia hoe : manaova asa soa, na manaova ny marina, mba hidirana any an-danitra. Rehefa tsy misotro toaka sy mamono olona dia ampy izay. Nikodemosy ilay mpampianatra Soratra Masina ny Isiraely dia tsy mpanompo sampy tsy akory. Tsy mba voalaza fa nijangajanga tahaka ilay vehivavy azo olan-tànana, na nanambàka tahaka an’i Zakaiosy, na namono olona tahaka ireo jiolahy niara-novonoina tamin’ny Tompo tao Kalvary. Nikodemosy ? Fariseo izy ka raha ny mpivavaka tamin’izany andro izany no jerena dia izy no fara-tampony indrindra. Nefa tsy mbola voavonjy izy satria tsy fantany akory ny fahaterahana indray.
Ny fanaovan-tsoa izay ataon’ny olona dia tsy ratsy tsy akory fa tokony ho vokatry ny Fanahy amin’ny olom-boavonjy izany ; kanefa tsy mba fepetra nasain’Andriamanitra harahina hahazoana ny famonjena izany. Raha izany mantsy dia karama na valim-piezahana ataon’ny olombelona ny lanitra, ary dia hita avy hatrany koa fa tsy manan-toerana eo amin’ny fiaina’ny olona ny asam-pamonjena izay nataon’i Jesosy teo amin’ny hazofijaliana
Voasoaratra anefa fa : Fahasoavana no namonjena anareo amin’ny finoana ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra ; tsy avy amin’ny asa, fandrao hisy hirehareha. (Efe. 2 : 8-9).
Ary tsarovy koa ny tenin’i Isaia mpaminany hoe : Fa samy efa tahaka ny olo-maloto izahay rehetra, ary tahaka ny lamba mihosin-drà ny fahamarinanay rehetra. (Isa. 64 : 5). Koa tsy maintsy ateraka indray isika vao mahazo mahita ny fanjakan’ny lanitra. Ny hoe : ateraky ny rano sy ny fanahy dia izao : ny rano dia ny Tenin’Andriamanitra izay toriana, ary ny Fanahy Masina no mampiasa izany toriteny izany ao am-pon’ny olona, mba ahatonga azy hiaiky ny fahotany sy hino ny Zanak’Andriamanitra ary hanova azy ho tonga olom-baovao. Efanateraka indray ve ianao ?
Raha tsia, dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’Andriamanitra ianao na dia mpampianatra Sekoly Alahady sy Kristiana tsara laza, manana Baiboly sy fihirana aza ! Mpivavaka very ianao ! Vakio Mpit. 10 : 15, fa ny lalana mankany an-tanànan’Andriamanitra aza tsy fantatrao !
TSY MAINTSY VOADIO NY FITAFIANAO
Apok. 22 : 14, Sambatra izay manasa ny akanjony, mba hananany fahefana amin’ny hazon’aina sy hidirany amin’ny vavahady ao an-tanàna.
Raha tianao ary ny ho voavonjy ka hanana fahefana hiditra ao an-tanàna, dia tanteraho ireto zavatra enina manaraka ireto :
– Fantaro ny tenanao fa mpanota (Rom. 3 : 23) ary afa-baraka ianao.
– Miaike ny fahotanao (I Jao. 1 : 9) mba havela ianao
– Afoizo ny lalan-dratsinao (Isa. 55 : 7) ary miverena amin’Andriamanitra
– Maneke an’i Jesosy ho Tompo amin’ny vavanao, ary minoa Azy hahazoanao famonjena (Rom. 10 : 9-10)
– Raiso Jesosy ho mpamonjy ny tenanao manokana (Jao. 1 : 12)
– Ary farany, raiso ny Rany nirotsaka teo amin’ny hazofijaliany ho toy ny ran’ny zanak’ondry manasa sy mamotsy ny fitafianao, izany hoe ny fo aman-toetranao rehetra izany. Vakio Isaia. 1 : 18; Apok. 7 : 14
TSY MAINTSY VOASORATRA AO AMIN’NY BOKIN’NY FIAINANA IANAO
Ary tsy mba hiditra ao mihitsy izay tsy masina (tsy hoe izay tsy miangona na izay tsy mandray Sakramenta) tsia, fa izay tsy masina : olona maloto izany ; na izay manao zava-dratsy tsy tokony hatao ; na izay mandainga (hoe mbola olombelona ihany ka tsy maintsy mandainga kely !) tsy hiditra ao mihitsy ireo, fa izay voasoratra ao anatin’ny bokin’nyfiainana izay an’ny Zanak’Ondry ihany. (Apok. 21 : 27)
Ny fito-polo lahy dia voasoratra any an-danitra ny anarany (Liok. 10 : 20). Mosesy koa (Eks. 32 : 32). Ny Kristiana araka ny voalazan’i Paoly Apostoly (Fil. 4 : 3). Ary izay rehetra mibebaka amin’ny fony sy manatona an’i Jesosy koa dia hosoratana satria misy fifaliana lehibe any an-danitra ny amin’ny mpanota iray izay mibebaka. Azonao antoka àry ve fa voasoratra ianao ?
Apok. 20 : 15 Ary raha nisy tsy voasoratra teo anatin’ny bokin’ny fiainana, dia natsipy tany amin’ny farihy afo izy. Tsy mba hoe : tsy hiditra any an-danitra fotsiny ianao fa hatsipy any amin’ny farihy afo. Izany no fahafatesana faharoa.
Sal. 100 : 4 “Midira ao amin’ny vavahady amin’ny fisaorana”.
Manana vavahady roa ambin’ny folo ny tanànan’Andriamanitra ( Apok. 21 : 21) ary Jesosy no lalana sy fahamarinana ary fiainana. Tsy misy mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalan’io vavahadim-pamonjena io. Misaora an’Andriamanitra ary midira faingana dieny mbola andro ankasitrahana sy androm-pamonjena izao andro izao.
HO HIDIAN’ANDRIAMANITRA TSY HO ELA NY VARAVARANA
Izao no lazain’izay masina, izay marina, izay manana ny fanalahidin’i Davida, izay mamoha ka tsy hisy hanidy, ary manidy ka tsy misy mamoha ( Apok. 3 : 7)
Rehefa tafiditra tao anaty sambofiara i Noa dia narindrin’i Jehovah tao izy sy ny ankohonany. Ny tanan’Andriamanitra no nanidy izany, koa tsy nisy olona na dia iray aza voalaza fa tafiditra tao tamin-kery amin’ireo mpanota tsy mino rehetra. Tonga ny safo-drano ary maty avokoa izy rehetra.
Koa tahaka ny nandrindrina ny sambo fiara, dia harindrina koa ny varavaran’ny fahasoavana ka tsy hisy hamoha. Vakio : Mat. 25 : 6-10 (ny amin’ny virijina folo).
Amin’ny hampanenoana ny trompetran’Andriamanitra, dia hidina avy an-danitra ny tenan’ny Tompo. Hitsangana ny maty ao amin’i Kristy, manaraka izany dia hovana ny tenan’ireo izay vonona (efa nandray Azy ho Mpamonjy ny tenany manokana izany) hovana amin’ny indray mipimaso ireo ary hakarina ho eny amin’ny rahona hitsena azy ary dia ho any amin’ny Tompo mandrakariva ireo. Ary harindrina ny varavarana ka tapitra hatreo ny famindrapon’Andriamanitra.
Ary dia hisy hiantsoantso eo ivelany ka hanao hoe : Tompoko, Tompoko vohay izahay. Fa Izy kosa hamaly hoe : lazaiko aminareo marina tokoa : tsy fantatro ianareo !
Ry mpamaky, efa nivoha sivy sy roa arivo taona izay ny ny varavaran-danitra. Ary mbola mivoha ho anao anio. Fa fony nohombohana teo amin’ny hazofijaliana Jesosy ka efa ho madiva ho tapitra ny ainy dia nanao hoe : vita ! Dia nanondrika ny lohany izy ka nanolotra ny fanahiny. Inona izany vita izany ? Ny famonjena ahy sy ny famonjena anao. Nisaraka roa ny efitra lamba tao an-tempoly, efitry ny fisarahana amin’Andriamanitra. Midira amin’ny alàlan’i Kristy. Raiso ny zava-bitany ho anao.
NY FOMBA HIDIRANA NY LANITRA

Ry mpamaky, efa nivoha sivy sy roa arivo taona izay ny ny varavaran-danitra. Arymbola mivoha ho anao anio. Fa fony nohombohana teo amin’ny hazofijaliana Jesosy ka efa ho madiva ho tapitra ny ainy dia nanao hoe : vita ! Dia nanondrika ny lohany izy ka nanolotra ny fanahiny. Inona izany vita izany ? Ny famonjena ahy sy ny famonjena anao. Nisaraka roa ny efitra lamba tao an-tempoly, efitry ny fisarahana amin’Andriamanitra. Midira amin’ny alàlan’i Kristy. Raiso ny zava-bitany ho anao.