Ny amin’ny handatsahana ny Fanahy Masina,

Ary rehefa afaka izany, dia handatsaka ny Fanahiko amin’ny nofo rehetra Aho; Dia haminany ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo, ny lahiantitrareo hanonofy, ary ny zatovonareo hahita fahitana;

Ary na dia ny mpanompolahy sy ny mpanompovavy aza dia handatsahako ny Fanahiko amin’izany andro izany.