Mivelona miaraka amin’i Jesosy

Nomena antsika ny fiainana mba hanatanterahana ny zava­kendren’ Ilay Mpahary antsika eo amin’ ny fiainantsika, dia ny hiaina toa izay niainan’ i Jesosy. Izay tsy miaina toa izay niainan’ i Jesosy dia tsy miaina araka izay tokony ho izy (I Jao. 2 : 6). Izay tsy miara-miaina amin’ i Jesosy eto an-tany dia tsy afaka hiara-­miaina Aminy any an-danitra. « Ary niara-nandeha tamin’ Andria­manitra Enoka, ka tsy hita izy, fa nentin’ Andriamanitra ».

Mba ahazoantsika miaina ny fiainany (Jesosy), dia tsy maintsy misy fandaozana ny fiainantsika manokana mba hifana­raka amin’ ny sitrapon’ Andriamanitra amin’ ny zavatra rehetra.