Fitiavana refesina amin’ny Fankatoavana

FITIAVANA REFESINA AMIN’ NY FANKATOAVANA

Ny fitiavantsika tsy mba refesina amin’ ny fihetseham-po… toy ny hoe : impiry isika no mitomany, na ny fanambarana hoe toa inona no haben’ ny fitiavantsika an’ Andriamanitra… fa ny fitia­vantsika dia asehon’ ny fankatoavantsika ! « Raha tia Ahy ianareo dia hitandrina ny didiko ». Miasa mafy ho an’ ireo tiantsika isika, ary ny fitiavana manamaivana ny asa. Tsy mahasorena ny man­katoa an’ Andriamanitra sy mitandrina ny didiny raha tia an’ i Jesosy isika ! Rehefa tonga matimaty isika, na namery ny fitia­vantsika voalohany… ka mankatoa ny hafa raha tokony hankatoa an’ Andriamanitra, dia manaporofo izany fa MIHEMOTRA am-po isika… tokony hahitsy anefa ny fo raha hiditra ny lanitra isika. « Ary nahoana ianareo no miantso Ahy hoe : TOMPOKO, TOM­POKO, nefa TSY MANAO izay lazaiko ». Lio. 6 : 46.

Ny fitiavana dia mihoatra noho ny teny fotsiny. Tsy misy an­tony ny ilazana fa tia an’ i Jesosy ianao nefa tsy mankatoa izay la­zainy.

0