Fiainana araka an’Andriamanitra
Mba hisian’ ny fitomboan’ ny fahasoavana kristiana tsara dia tokony hisy fanazarana mitohy, fitandremana ary fampiharana amin’ ny fomban’ Andriamanitra.
Ny mpanao fanatanjahan-tena dia manao karazana fanazarana sy mihinana karazan-tsakafo izay hampitombo tsara sy hampahatanjaka ny nofony.
Ny fanahy manana faniriana fatratra sy hetaheta hofenoina an’ Andriamanitra bebe kokoa, dia tsy maintsy manao fanazarana ahazoany fahafaham-po amin’ izany faniriany fatratra izany. Raha toa faniriana tsotran’ny fonao ny ho ara-panahy kokoa, aoka hotanterahanao amim-pahamalinana ireo adidy rehetra momba ny fiainana ara-panahy. Ny sasany mitandrina fatratra amin’ ny fotoana iray, ary mahazo tombony ara-panahy, anefa mamery izany rehetra izany amin’ ny andro iray hahaketrahany. Aza mety ketraka ianao. Aoka hitozo, hiaritra, ho sahy, hanakatra, handroso ho amin’ ny lokan’ ny fahalemem-panahy ; Fiadanana sy fiainana araka an’ Andriamanitra no ho satroboninahitry ny fiainanao. Rehefa tonga kristiana araka an’Andriamanitra ianao, dia ho tonga fiadiana mahery vaika eo an-tànan’ Andriamanitra.
ZAVATRA TOKONY HATAO
Ny olona dia tsy voatendry ho amin’ny vavaka fotsiny ihany mbamin’ ny fiderana sy ny fihobiana, na dia manana ny toerany sy ny ilàna azy aza ireo, fa natao hiasa ihany koa izy. « Fa asany isika, voaforona tao amin’ i Kristy Jesosy mba hanao asa tsara izay namboarin’ Andriamanitra rahateo mba handehanantsika eo aminy ». Efe. 2 : 10.
Raha tàhiny isika manadino hanatanteraka eo amin’ ny fiainana ny asa notendren’ Andriamanitra tamin’ ny fahendreny hataontsika, dia hisy banga Iehibe eo amin’ ny drafitra lehiben’ ny Ray, anjara natao antsirambina izay hiharihary mandritra ny mandrakizay. Maro no miasa nefa vitsy no manao ny tsara indrindra ! Efa nanome ny tsara indrindra Izy (Jesosv Kristy). Tokony hanao toraka izany koa isika amin’ ny fanatanterahana sy fanomezana izay tsara indrindra hanitarana ny Fanjakany amin’ izao tontolo izao.
« Tahaka ny nanirahan’ ny Ray Ahy no anirahako anareo kosa ». Jao. 20 : 21.
MITANDRINA NY DIDY
« Sambatra izay mitandrina ny didiny, mba hananany fahefana amin’ ny hazon’ aina sy hidirany amin’ ny vavahady ho ao antanàna ». Apo. 22 : 14.
« Raha tia Ahy ianareo dia hitandrina ny didiko ». Jao. 14 : 15.
‘ »Tsy izay rehetra manao amiko hoe : Tompoko, Tompoko, no hiditra amin’ ny fanjakan’ ny lanitra, fa IZAY MANAO NY SITRAPON’ NY RAIKO, Izay any an-danitra ». Mat, 7 : 21.
Ny fitiavana dia mihoatra noho nyfihetseham-po. Asan’ ny sitrapo io. Ohatra, ny reny dia tia ny zanany hatrany hatrany, nefa mety tsy hahatsapa fihetseham-pom-pitiavana mandrakariva izy… fa ny fikarakarany ny zanany dia manaporofo ny fitiavany.