Fitiavana mamaky teny
Mety ho fantatra amin’ ny karazam-boky vakiany ny olona iray. Ny antony dia satria ny karazam-boky vakian’ ny olona mandrakariva no mitory ny toe-tsainy, ary izay fomba fihevitry ny olona no maha-izy azy. Ny olona tena ara- panahy tamin’ ny taranaka rehetra dia nanam-pitiavana miredareda hamaky boky ara-panahy. Tsy tokony hamaky haingana loatra isika, fa hieritreritra kosa sy hitsakotsako eo...
































