Administrator
Nitarina ny Fiangonana Jesosy Mamonjy foibe Ankorondrano – Mars 2025
Nitarina ny Fiangonana Jesosy Mamonjy Foibe Ankorondrano. Efa nentinay teto (amin’ny Lahatsoratra ao ambadika) fa fikasana tao anatin’ny programan’asa an’ny Raiamandreny Mpanorina, Fr Daoud, izao asa izao saingy tsy vita noho ny antony maro samihafa, ny fahanterana sy ny fahasasarana teo aminy. Fanitarana 2 no mbola fikasan’ny Raiamandreny hatao tamin’izany, ny iray dia ny fanitarana ny trano fiangonana lehibe manontolo...
Semineran’ny Tanora Jesosy Mamonjy – Antsirabe 13-17 Aout 2025
Semineran’ny Tanora Jesosy Mamonjy nokarakarain’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy Foibe Ankorondrano – Antsirabe 13-17 Aout 2025 Isaorana manokana ireo mpikarakara rehetra nahatontosa ity Semineran’ny tanora ity, ary isika izay nanohana tamin’ny fomba rehetra, ara-bola, fitaovana, ara-kevitra na mivantana na tsia, noho ny enta-mavesatra sy fitiavana ny Tanorantsika. Mankasitraka antsika rehetra nizara ny sary. Mba tagueo eo amin’ny commentaire ary ny anaranao...
Evangélisation nationale Tanora Jesosy Mamonjy – Antsirabe – 13-17 Aout 2025
Famintinana an-tsary ny Fitoriana Filazantsara nataon’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy Foibe Ankorondrano tany Antsirabe, niarahana tamin’ny Tanoran’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy manerana an’i Madagasikara, sy ireo Mpanabe Tanora eto amin’ny Foibe. Avenue de l’Indépendance Antsirabe – 13-17 Aout 2025 Isaorana manokana ireo mpikarakara rehetra nahatontosa ity Semineran’ny tanora ity, ary isika izay nanohana tamin’ny fomba rehetra, ara-bola, fitaovana, ara-kevitra na mivantana na...
Namoy Raiamandreny ny Fiangonana Jesosy Mamonjy
Amin’ny Finoana sy Fanantenana ny Fitsanganan’ny tena amin’ny maty no ampandrenesana antsika ny fahalasanan’ny Mpanompon’Andriamanitra RAFALIMINO RaymondMpanompon’AndriamanitraPCA Fiangonana Jesosy Mamonjy teo aloha Ny Ekipan’ny Lalamasaka Hatry ny Ela dia mirary fiononana ho an’ny ankohonany sy ny fianakaviany, ary ny Fianakaviam-ben’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy, Ny Vondrona Mpitoriteny Evanjelistra Jesosy Mamonjy MEJM. Efa nitondra fiangonana maro izy, nandika teny ny Mpanorina, nampianatra...
Jesosy Mamonjy Foibe Ankorondrano Ofisialy
Manomboka izao, ho fanampiantsika ny Fiangonana Jesosy Mamonjy Foibe Ankorondrano, mba hahafahantsika manaraka ireo Toriteny en Direct, ny vaovao isan-karazany dia azontsika atao avy hatrany ny mahita ny PEJY FACEBOOK Jesosy Mamonjy Foibe Ankorondrano Ofisialy eto amin’ny Siteweb https://lalamasaka.mg (amin’ny ilany havanana amin’ny Pejy raha amin’ny ordinateur, scroller-na raha amin’ny smartphone). Azontsika atao ny mi-J’aime avy hatrany, manao Suivre, ary...
Hevoy ny tombamborakareo – Bro Daoud – Jesosy Mamonjy Ankorondrano
Hevoy ny tombamborakareo. Milona manontolo ao anatin’ny vavaka sy fifadian-kanina 10 andro isika mialohan’ny Pentekoty. Fotoan-dehibe hikatsahana ny fanatrehan’Andriamanitra, fotoana handinihan-tena lalina hiverenana amin’ireo fanoloran-tena sy fiainam-bavaka teo aloha. Indro atolotray ny Fampianarana nandritry ny vavaka sy fifadian-kanina lavareny niarahana tamin’ny Mpanompon’Andriamanitra Fr Daoud teo amin’ny Jesosy Mamonjy Foibe Ankorondrano. Antso sy fanirianay ny hiverenan’ny Fiangonana mandrakariva amin’izay nampianarin’ny Mpanorina,...
































