Sitrana ny Vay goavana

Soeur Haova,

Manome voninahitra an’i JESOSY t@ fanasitranana azony.

Narary ary nisy vay goavana izay sady nanaintaina fatratra no nahatonga azy ho tsy afa-nandeha sady tsy afa-nipetraka. Namonjy Docteur ary nampiasaina avokoa na Tsindrona na Comprimé fa tsy nahitam-bokatra. Nentin’ny fiara ho aty am-piangonana dia nomena Tenim-pinoana sady nivavahana. Nino izy ary tsy niroaroa saina na dia teo aza ny resaka maro, fa tokony hanatona ombiasa sns…

Ho an’i JESOSY ny Voninahitra fa sitrana soamatsara izy ka izao nijoro ho vavolombelona izao. Haleloia