Virjina 5 adala, 5 hendry

Ary amin’izany ny fanjakan’ny lanitra dia ho tahaka ny virijina folo, izay nitondra ny fanalany* ka nivoaka hitsena ny mpampakatra.[*Na: fanilony]

Ary ny dimy tamin’ireo dia adala, fa ny dimy kosa hendry. Fa ny adala nandray ny fanalany*, nefa tsy nitondra solika fitaiza ; ary ny hendry kosa nitondra solika tao anatin’ny fitondrany sy ny fanalany.

Ary raha naharitra ela ny mpampakatra, dia samy rendrehana avy izy rehetra, ka dia natory. Ary nony mamatonalina, dia nisy antso hœ: Indro ny mpampakatra! Mivoaha mba hitsena azy. Dia nitsangana ireo virijina ireo, ka samy namboatra ny fanalany.

Dia hoy ny adala tamin’ny hendry: Mba omeo kely amin’ny solikareo izahay; fa efa ho faty ny fanalanay. Fa ny hendry namaly ka nanao hœ: Sao tsy ampy ho anay sy ho anareo, fa mandehana mankany amin’ny mpivarotra ianareo, ka mividiana ho anareo.

Fa raha mbola lasa nividy izy, dia tonga ny mpampakatra, ary izay efa niomana dia niara-niditra taminy tao amin’ny fampakaram-bady, ary dia narindrina ny varavarana. Ary rehefa afaka izany, dia tonga kosa ireo virijina teo ka nanao hœ Tompoko, tompoko, vohay izahay. Fa izy namaly hœ: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy fantatro ianareo.

Koa amin’izany miambena ianareo, fa tsy fantatrareo na ny andro na ny ora.

Matio. 25 : 1-13