Vaovao

0

ALIMBAVAKA MITADY FIFOHAZANA

🌿ALIMBAVAKA MITADY FIFOHAZANA🌿📌Iarahantsika MPITORITENY EVANJELISTRA JESOSY MAMONJY – MEJM eto Analamanga.📌Isaky ny Zoma voalohan’ny volana.⏰ANIO ZOMA 5 Septambra 2025 – 🕖amin’ny 7 ora alina mandra-maraina. 📌Aza adino ary fa tsy mitsahatra intsony isika fa mitohy hatrany isaky ny Zoma voalohan’ny volana tahaka izao.📌Hasaina avokoa isika rehetra tsy ankanavaka : Mpitoriteny Evanjelistra rahalahy sy anabavy, Biraom-piangonana rehetra, ary izay manana andraikitra...

Kilasy fianarana MIHIRA SOLFA andiany faharoa – Sept 2025

Aza tara indray ary fa Efa misokatra ny KILASY FIANARANA Mihira SOLFA andiany faharoa (Section vocale) eto amin’ny Musics and Voice Orchestra Jesosy Mamonjy sy ny Departemanta famoronan-kira : Fisoratana anarana : >> Isaky ny Sabotsy amin’ny 9h30, na Alahady aorian’ny fivoriana (Foibe Ankorondrano) >> Tanora lahy sy vavy 15 taona miakatra, >> Vonona hianatra mafy (Solfa sy Solfège) >> Entanina...

Nitarina ny Fiangonana Jesosy Mamonjy foibe Ankorondrano – Mars 2025

Nitarina ny Fiangonana Jesosy Mamonjy Foibe Ankorondrano. Efa nentinay teto (amin’ny Lahatsoratra ao ambadika) fa fikasana tao anatin’ny programan’asa an’ny Raiamandreny Mpanorina, Fr Daoud, izao asa izao saingy tsy vita noho ny antony maro samihafa, ny fahanterana sy ny fahasasarana teo aminy. Fanitarana 2 no mbola fikasan’ny Raiamandreny hatao tamin’izany, ny iray dia ny fanitarana ny trano fiangonana lehibe manontolo...

0

Semineran’ny Tanora Jesosy Mamonjy – Antsirabe 13-17 Aout 2025

Semineran’ny Tanora Jesosy Mamonjy nokarakarain’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy Foibe Ankorondrano – Antsirabe 13-17 Aout 2025 Isaorana manokana ireo mpikarakara rehetra nahatontosa ity Semineran’ny tanora ity, ary isika izay nanohana tamin’ny fomba rehetra, ara-bola, fitaovana, ara-kevitra na mivantana na tsia, noho ny enta-mavesatra sy fitiavana ny Tanorantsika. Mankasitraka antsika rehetra nizara ny sary. Mba tagueo eo amin’ny commentaire ary ny anaranao...

0

Evangélisation nationale Tanora Jesosy Mamonjy – Antsirabe – 13-17 Aout 2025

Famintinana an-tsary ny Fitoriana Filazantsara nataon’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy Foibe Ankorondrano tany Antsirabe, niarahana tamin’ny Tanoran’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy manerana an’i Madagasikara, sy ireo Mpanabe Tanora eto amin’ny Foibe. Avenue de l’Indépendance Antsirabe – 13-17 Aout 2025 Isaorana manokana ireo mpikarakara rehetra nahatontosa ity Semineran’ny tanora ity, ary isika izay nanohana tamin’ny fomba rehetra, ara-bola, fitaovana, ara-kevitra na mivantana na...

Namoy Raiamandreny ny Fiangonana Jesosy Mamonjy

Amin’ny Finoana sy Fanantenana ny Fitsanganan’ny tena amin’ny maty no ampandrenesana antsika ny fahalasanan’ny Mpanompon’Andriamanitra RAFALIMINO RaymondMpanompon’AndriamanitraPCA Fiangonana Jesosy Mamonjy teo aloha Ny Ekipan’ny Lalamasaka Hatry ny Ela dia mirary fiononana ho an’ny ankohonany sy ny fianakaviany, ary ny Fianakaviam-ben’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy, Ny Vondrona Mpitoriteny Evanjelistra Jesosy Mamonjy MEJM. Efa nitondra fiangonana maro izy, nandika teny ny Mpanorina, nampianatra...