Fahagagana sy Misiona – 007

… tohiny

FIZARANA Faharoa

PÔRTÔ RIKÔ

Fiandohan’ny tena fiainana

Nanomboka nanery sy nanetsika ny foko indray ny taraina sy tomanin’ireo fanahy izay hitako tany amin’ireo Nosy maro izay efa notsidihako, fotoana vitsy taorian’ny nahatongavako tany an-trano. Nivavaka sy nangataka tamin’Andriamanitra aho mba hiasako sy hiverenako hitoriteny any amin’izy ireo indray. Tanora telo avy ao St Louis no niaraka tamiko tamin’ity manaraka ity, volana desambra 1950 tamin’izay.

Mbola tsy hita soritra loatra tamin’ny toerana maro aloha ny hetaheta an’Andriamanitra. Nanomboka fahagagana tahaka izay nataony tao Monserrat anefa Andriamanitra. Nampiseho lalana tsaratsara kokoa anay Izy tamin’ity indray mandeha ity mba hahalala ny zavatra ilain’ny tsirairay avy.

Nivavaka ho azy ireo izahay. Anisan’ny zavatra tena nahafinaritra anay tokoa ny fotoana nivavahanay ho an’ireo olona ireo, nampahery azy ireo izahay mba hananany izay voasoratra ao amin’ny Marka 16 : 16-17 “ Izaho famantarana izao no hanaraka izay mino”. Tsy manambara akory izany teny izany fa hanaraka ny mpitoriteny ny famantarana, fa hanaraka izay rehetra mino izany.

Olona roa arivo no tonga nanatrika tamin’ny fitoriana Filazantsara voalohany nataonay. Olona maro no nanambara izay nataon’Andriamanitra tamin’izy ireo rehefa natao ny fijoroana vavolombelona, ary ireto voatanisa eto ambany ireto no mba voarainay an-tsoratra, sombiny ihany anefa izany :

*Lehilahy jamba lasa nahita tsara

*Marary hoditra sitrana

*Zazavavy narary fo nandritra ny efa-taona sitrana

*Lehilahy tsy nahita tsara sitrana

*Zazalahy nanana sofina iray tsy nandre sitrana

*Vehivavy jamba, tsy nahita, lasa nahita tsara

*Vavy antitra iray sitrana

*Vehivavy lehibe iray nalemy, sitrana izy ary afaka nihazakazaka sy nitsambikimbikina

*Vehivavy iray narary maso mafy, sitrana.

*Vehivavy iray voan’ny homamidan’ny vavony nandritra ny folo taona, sitrana

Namangy ny tsirairay indray Andriamanitra ny ampitson’iny nandritra ny toriteny, natoky izany indrindra aho, ka nanontany rehefa tapitra ny toriteny : “ Firy no nahatsapa ny famangian’Andriamanitra sy nanolotra ny fony ho Azy tanteraka? ” Tanana an-jatony maro no nitsangana tao amin’ny kianja fitorianteny. Nanontany indray aho avy eo hoe : “ Firy no tonga teto niaraka tamin’ny aretina sy fahoriana maro, saingy sitrana kosa rehefa nitoriteny aho? Olona dimampolo mahery indray no nanangan-tanana. Ireto hita amin’ny lisitra eto ambany ireto ihany no voaraiko an-tsoratra rehefa nangataka olona hijoro vavolombelona aho. Tena sarobidy tokoa ny voninahitr’Andriamanitra :

*Lehilahy 55 taona, voan’ny “hernie” nandritra ny roa taona, sitrana tanteraka.

*Lehilahy roa, samy narary fo, sitrana avokoa.

*Mpitoriteny iray efa nodidiana noho ny “hernie” nandritry ny 24 andro narary tongotra sy loha, sitrana.

*Vehivavy tsy nahita tsara, sitrana.

*Olona iray efa nodidiana “ulcère’’ inefatra nefa mbola naheno narary be, sitrana.

*Olona malemy iray nandeha tamin’ny “chaise roulante” sitrana.

*Vehivavy iray, Maria Sanchez avy any Lingua Sakana, Pôrtô Rikô, jamba tanteraka, sitrana.

*Vehivavy iray narary lohalika, sitrana.

*Vehivavy narary an-doha sitrana.

*Lehilahy narenina, lasa nandre tsara izy.

Tena aleoko mihitsy manana an’i Jesosy noho ny zavatra hafa fantatro, satria mamangy ny fovoriana ataoko Izy rehefa mitoriteny aho. Mahay manasitrana ny aretin-koditra rehetra sy manafaka ny malahelo am-po Izy, ary manangana izay ampahoriana sy manafaka ny babo ihany koa Izy. Ry mpamaky hajaina, te hanafaka anao ihany koa Jesosy amin’izao fotoana amakiana ity boky ity izao, satria tsapako mihitsy fa eto anilako Izy amin’ny fotoana izay anoratako ity boky ity. Tena tia anao Izy ary te hanafaka anao amin’io fahorianao sy alahelonao ary ny aretin-dohanao sy izay mety karazana aretina misy eo aminao io Izy ankehitriny. Maniry ny hamaha ny olona eo amin’ny fandraharahanao Izy ka te hampiposaka ny masoandrom-pitiavany aminao indray. Andriamanitra dia Fitiavana ! Noho izany, mitrakà ary angataho Izy hanampy anao. Sitrapon’Andriamanitra hatrany ny hihaino ny fitarainanao satria manampy izay rehetra mila fanampiana Izy na ara-panahy izany, na ara-bola, na ara-nofo ihany koa. Matokia an’Andriamanitra ary mazotoa miantso Azy… Mendrika itokiana tokoa

hitohy…