mars 2022

Avereno indray ny fifandraisanao amin’Andriamanitra

Ny hoe tonga Kristiana dia tsy midika fa hanana fiainana mahafinaritra foana. Mandrakariva dia mandalo fotoan-tsarotra tokoa isika ary mila tsy hahita intsony hoe aiza no fiafaran’izao lalako izao. Arakaraky ny hanotana, dia mahatsapa isika fa miha manalavitra ny tavan’Andriamanitra ka tonga tsy maha vavaka intsony, tsy mahavita makany am-piangonana intsony. Ary manosika mafy ny fahavalo, mitondra eritreri-dratsy marobe, mitondra...

Vavaka mitaraina amin’Andriamanitra, BroDaoud Jesosy Mamonjy Ankorondrano

Amin’izao andro sarotra andalovantsika izao, izay fotoana tsy maintsy ianteherantsika amin’ny vavaka dia manasa anao hihaino ity torinteny ity. Tsy mbola nahazo ianao satria tsy mbola nivavaka, na efa lasa « kamo » mivavaka, na mivavaka tsy amin’ny hafanam-po sy fitarainana. Andriamanitra anefa matoa manentana antsika ao amin’ny Teniny mba hivavaka, dia satria efa sitrany ary efa vonona ny hamaly vavaka Izy...