Avereno indray ny fifandraisanao amin’Andriamanitra

Ny hoe tonga Kristiana dia tsy midika fa hanana fiainana mahafinaritra foana. Mandrakariva dia mandalo fotoan-tsarotra tokoa isika ary mila tsy hahita intsony hoe aiza no fiafaran’izao lalako izao. Arakaraky ny hanotana, dia mahatsapa isika fa miha manalavitra ny tavan’Andriamanitra ka tonga tsy maha vavaka intsony, tsy mahavita makany am-piangonana intsony. Ary manosika mafy ny fahavalo, mitondra eritreri-dratsy marobe, mitondra fanamelohana be dia be, ary manolo-kevitra ny handositra ny tavan’Andriamanitra.

Ny Tenin’Andriamanitr anefa dia milaza fa : « teo amin’izay nihabiazan’ny ota no nihoaran’ny fahasoavana be lavitra » Romana. 5 :20.

Koa mameno anao ny tahotra, ny fahatezerana, ny fitohizana amin’ny fahotana, ny fahazaran-dratsy, ny naman-dratsy, ny hakamoana… Fa fotoana izao hanatsaharana faingana izany rehetra izany dia miverena amin’ireo fanoloran-tenanao teo aloha