mars 2025

AZAFADY, Tsy fantatro mihitsy IANAREO…

AZAFADY, Tsy fantatro mihitsy IANAREO… « MANDEHANA MANOMPO ILAY NOTOMPOINAREO TEO ALOHA… » IZANY NO HOLAZAIN’ I JESOSY AMIN’ OLONA MARO AMIN’ NY ANDRO FARANY. Nanonofy ny amin’ny andro fi­tsarana amin’ny andro farany ny mpino kristiana mpanara-pomba iray ka nahita olona an-tapitrisany maro miankohoka mivavaka. Nanifikifika ny lohany tamin’ alahelo Jesosy Kristy Mpamonjy ary izao no teny reny nambaran’i Jesosy : « Azafady...

Fanitarana ny Fiangonana Jesosy Mamonjy Foibe Ankorondrano

Noho ny fanampian’Andriamanitra dia hamita ny asa fanitarana ny Jesosy Mamonjy Foibe Ankorondrano isika. Asa fanitarana izay fikasana tao anatin’ny programan’asa an’ny Raiamandreny Mpanorina, Fr Daoud, saingy tsy vita noho ny antony maro samihafa, ny fahanterana sy ny fahasasarana teo aminy. Tsara ny manamarika fa Fanitarana 2 no mbola fikasan’ny Raiamandreny hatao, ny iray dia ny fanitarana ny trano fiangonana...

Filazana manjo

Ny Ekipan’ny Lalamasaka Hatry ny Ela dia mirary fiononana ho an’ny ankohonan’ny Mpanompon’Andriamanitra RAFALIMINO Raymond (Fiangonana Jesosy Mamonjy Tsarafara Sabotsy Namehana), noho ny fahalasanan’ny Anabavy RAVELOJAONA Onisoa Vololonirina. Nandray anjara betsaka tamin’ny fampandrosoana ny Fiangonana Jesosy Mamonjy izy ireo, ary ny Anabavy Onisoa dia anisan’ireo Reny tamin’ny Isiraely, teo anilan’ny Anabavy Daoud fahavelony, anisan’ireo vadina Mpanompon’Andriamanitra nikarakara an’i Sr Daoud...