Fanitarana ny Fiangonana Jesosy Mamonjy Foibe Ankorondrano
Noho ny fanampian’Andriamanitra dia hamita ny asa fanitarana ny Jesosy Mamonjy Foibe Ankorondrano isika. Asa fanitarana izay fikasana tao anatin’ny programan’asa an’ny Raiamandreny Mpanorina, Fr Daoud, saingy tsy vita noho ny antony maro samihafa, ny fahanterana sy ny fahasasarana teo aminy. Tsara ny manamarika fa Fanitarana 2 no mbola fikasan’ny Raiamandreny hatao, ny iray dia ny fanitarana ny trano fiangonana...