Tratry ny Noely2021/taona 2022
Mirary soa ho antsika rehetra ho an’ity taona vaovao 2022 ity. Honeran’i Jesosy anie ny simba rehetra tamin’iny taona ratsy iny.
Nahazo taona vaovao isika fa miha antomotra ny andro. Miha ratsy izao fiainana izao.
Fotoana hanomanan-tena ho amin’ny fihavian’ny Tompo izao. Koa izay nanao antsirambina ny fanoloran-tena dia miverena amin’ny fifantohana tanteraka hanamasin-tena indray. Vakio ny Baiboly, mivavaha isan’andro, manàna fifandraisana mitohy amin’ny Tompo amin’ny vavaka sy vakiteny; mamonje fovoriana; izay mpikilavaka tamin’ny vavaka sy fifadiankanina dia tokony hanazatra ny tenany amin’ny fifadiankanina lavareny sy matetika, satria anatin’ny andro mahory isika izao. Tsy faminaniana intsony fa efa miaina.
Tsy manam-potoana hanariana dia ny saina intsony ianao mba hialana tsiny tsy hanolo-tena. Tsy manam-potoana hanaratsiana sy hanenjehana ny hafa. Tsy fotoana fifosana izao fa fotoana handinihantena lalina isaky ny alohan’ny hatory.
Aleo mieritreritra lavabe hanasoa ny namanao toy izay mieritreritra mandavan’ny taona izay hamelezana sy hitsikerana azy. Raha izany mantsy dia feno loto sy fahalovana mandavan’ny taona ny fo sy sainao.
Mizara mibebaka, miala tsiny, mifona, amin’izay anaovanao fahadisoana. Ary mitandrema fatratra amin’ny teny aloaky ny vava rehetra.
Manokana fotoana hanasoavana ny mahantra sy ny kamboty mba hambolenao toe-po miantra ny manodidina indrindra ny mpianakavin’ny finoana.
Amin’ity taona ity, manaova voady hitsidika ny marary, hiara-ory raha sanatria misy tojo izany, hanampy ny olona rehetra izay mila aminao, amin’izay misy eo an-tananao na kely na be.
Akaiky ny fihavian’i Jesosy. Mitaiza ny fontsika hanakaiky an’Andriamanitra isika.
Amin’ny fonay rehetra.
Ny ekipa rehetra eto amin’ny Lalamasaka.