Fanaka omem-boninahitra 3 (tohiny)
Ny hevitra fototry ny fanamasinana dia fisarahana. Manamasina ny tenany ny olona iray rehefa manasaraka ny tenany tsy ho amin’ izay rehetra ratsy sy tsy madio, ka manokana ny fiainany manontoloho amin’ ny fanaovana ny sitrapon’ Andriamanitra ! Amin’ io hevitra io izy dia asa mazava ataon’ ny tena manokana. Milavo lefona eo anatrehan’ Andriamanitra amin’ ny fanoavana tanteraka izy. Ny filavoantsika lefona dia tokony ho manontolo, mahafaoka ny tena, fanahy, fiainana, talenta, laza, ny rehetra. Ireo dia tokony ampiasaina amin’ ny fotoana rehetra na aiza na aiza ary araka izay takian’ Andriamanitra, ary amin’ izany ihany vao mahafaoka ny fisiana sy fiasana ary fijaliana ho an’ i Kristy izy. Ny fanahy eo amin’ io toeran’ ny fandavan-tena io dia miantso mafy hoe :
Inty aho manolotena ho ANAO
Ny namako sy fotoako ary zava-tsoako eto an-tany,
Ny fanahiko, ny tenako ho ANAO
Ho ANAO MANONTOLO mandrakizay.
Tsy mbola an’ ny Tompo tanteraka isika raha tsy mbola nampitoerintsika indray mandeha tsymifody, fa amin’ ny sitrapo, fitiavana, zava-kendrena, fampiasana amim-pahendrena ny talenta sy ny fananana ary ny zavatra rehetra, dia ho AZY mandrakizay isika ! Ny fanokanantena toa izany dia tsy fanamasinana tsy akory fa zavatra iray ao anatiny ihany… izay lafiny avy amin’ ny olombelonamanomana ny làlana ho amin’ ny sisa.
Tonga eo amin’ ny anjaran’ Andriamanitra amin’ ny fanamasinana antsika isika ankehitriny. Mba ahatanteraka ny fanamasinana antsika, dia tsy maintsy manao ilay fanadiovana Andriamanitra, ilay fanavaozana tanteraka ny toetrantsika izay nampanantenaina ao amin’ ny faneken’ ny TestamentaVaovao ary ny famatsiana azy dia efa vita tamin’ ny asa fisoloana nataon’ i Kristy. Nyfanokanantena no anjarantsika… Ny fanadiovana dia asan’ Andriamanitra izay ho tanterahiny avy hatrany raha vao manatanteraka ny anjarantsika amin’ ny fanehoana ny tenantsika amin’ nyfanolorantena tanteraka isika.
Ny amin’ io no nivavahan’ i Paoly ho an’ ny Tesaloniana mba « hampiorenana ny fonareo tsy hanan-tsiny amin’ ny fahamasinana eo anatrehan’ Andriamanitra Raintsika amin’ ny fiavian’ i Jesosy Tompontsika mbamin’ ny masiny rehetra ». I Tes. 3 : 13.