Mahasoa ho an’ny Tompo

Ny Mahasoa ho an’ ny Tompo dia midika hoe « fahamen­drehana ». Ny hoe « mahasoa » dia ilay olona tena ilaina — mifanen­tana tsara amin’ ny zava-kendrena ilain’ ny Tompo hotanterahan’ ny olona.

Raha te-hitarika rano madio avy any an-dohasaha ho ao amin’ ny fonenanao ianao, dia mitady tioba hampiasaina ho fan­tsona hikorianan ny rano… Fa zahanao tsara ireo ka hoy ianao   :  « IRETO tsy mendrika ampiasaina, simban’ ny harafesina sy rako­try ny fotaka ». Koa satria ireo tsy « mahasoa » dia apetraka.

Isika no fantsona hitondrana ny FAHASOAVAN’ Andriama­nitra mankamin’ ny fanahin’ ny olona. Kanefa raha tsentsin’ ny fizahozahoana ilay fantsona, tsentsin’ ny zava-kendrena ambany sy mampahonena, fitiavan-tena sy zavatry ny tany, mbamin’ ny faharatsiana miafina hafa, ahoana no ahatonga antsika ampiasain’ ny Tompo ?… Rehefa voaesotra ny fahotantsika, toa inona no faha­fenoan’ ny onjam-piainan-danitra miraraka amin’ ny alalantsika ka mitondra fitahiana ho an’ izao tontolo izao.

Ny manamboninahitra mpitaingin-tsoavaly dia mitahiry ny sabany ho madio sy maranitra. Ny mpanompo masina dia fiasàna mahery vaika eo an-tànan’ Andriamanitra. Tsy ny habetsahan’ ny talenta lehibe no hitahian’ Andriamanitra fa ny fitoviana amin’ i Jesosy.

Nisy zazavavy kely iray namaky ny toriteny ny amin’ ny fahasambarana, dia nampiato azy nyolona ka nanontany azy hoe   :   Raha ianao no afaka misafidy, iza amin’ ireo no tianao hananana? « Ny hanana fo madio no fidiko, satria raha mahazo izany aho dia ho azoko avokoa ny ambiny rehetra ». Marina ny an’ ilay zaza. Rehefa nohamasinina isika dia « mahasoa ho an’ ny Tompo ary voa­voatra ho amin’ ny asa tsara REHETRA ».