Mahasoa ho an’ny Tompo 2 (tohiny)

Ny fahamasinana sy ny hoe mahasoa dia mifampiankina. Mety misy maningana nefa izao no fitsipika   :   Izay hamasinin’ Andriamanitra ho amin’ ny asany dia homeny voninahitra amin’ ny fahombiazana ! Tsy ny saina tsy akory, na dia mamiratra aza izany, tsy ny fahaizan-javatra manokana, na dia mahafinaritra aza izany, tsy ny fahaiza-mandahateny na dia manintona aza, no ma­hatanteraka ny tsara indrindra eto amin’ izao tontolo izao. Fa ha­tsarana tsotra, fahamasinam-piainana sy fanolorantena tanteraka no hanome hery tsy azon’ izay mety hakingan’ olombe­lona tahafina ! Mety misy fihetsiketsehana ivelany mba hisehoana imasom-bahoaka, tsy misy fahamasinana ka dia kely ny vokatra mahafa-po azo. Mety afaka miasa ho an’ Andriamanitra mantsy isika, nefa Izy tsy miara-miasa amintsika.

TSY MISY OLONA MAHASOA HO AN’ NY TOMPO, amin’ ny hevi-teny ambony indrindra, raha tsy amin’ ny fepetra iray ihany, dia izy voatokana sy madio. Izany no manazava ny an­tony tsy ampiasana ny kristiana maro anarana fotsiny ho amin’ ny asan’ i Kristy, afa-tsy amin’ ny raharaha ivelany faran’ izay ma­hantra, karazana asan’ izao tontolo izao mifandray amin’ ny asa ara-panahy. Izany no hany mahasoa azy.

Ny fahamasinan-tena manokana no trosa (sanda) voalohany aloantsika amin’ ny Fanahy hahasoa antsika ho an’ ny Tompo, ary tsy afaka manolotra asa azo ekena ho AZY isika raha tsy voaloa aloha io. Nisy mpanao tantara romana nanambara ny amin’ olona iray nandefa fanomezana satroboninahitra feno vatosoa ho an’ i Kaisara, kanefa niodina taminy ilehio. Naverin’ i Kaisara tany aminy ilay satroboninahitra niaraka tamin’ izao fananarana izao : « Milavoa lefona amin’ ny fankatoavana aloha vao manatera fano­mezana avy eo’’

Ho foana ny hihirantsika hoe : « Ento ny diademan’ ny Mpanjaka ka satrohy ho TOMPON’ NY REHETRA Izy », raha tahiny mbola misy tazonintsika.. na dia hoe zavatra tsy dia manan-­danja aza… tsy ho fehezin’ i Kristy. Rehefa voatokana tanteraka ho amin’ ny asan’ Andriamanitra sy ny sitrapony isika, ary voadio ho afaka amin’ ny fandotoan’ ny ota, dia vonona ho amin’ ny fampia­sana mandrakariva isika !

Ny fitaovana rehetra ampiasaina amin’ ny fandidiana any amin’ ny hopitaly, dia tehirizina matetika anaty anti-septika mba tsy hamindra aretina na dia kely akory aza amin’ ny fery voasoka­tra. Tsy azontsika kasihina ny fery misy poizina avy amin’ ny ota ka tsy handratra ny tenantsika sy ny hafa isika, raha tsy hoe isaky ny fotoana mifandimby dia mahatsapa isika fa ny RAN’ I JESOSY no manadio antsika ho afaka amin’ ny ota rehetra.