Fitaovana ampiasain’Andriamanitra (tohiny)

MILA ANAO NY TOMPO. Tsy misy fahamarinana ara-pa­nahy sy mifono zava-miafina ohatra ny hoe Kristy lohantsika dia tena miankina tanteraka amin’ ny momba ny tenany mba haha­tanteraka ny tarigetram-pamindrampony eo amin’ izao tontolo izao mihalevona ! Ny fandraisana anjara amin’ ny asam-pamonjena ataony no satroboninahitra sy voninahitra ambony indrindra azon’ ny kristiana rehetra irina fatratra ! Mba te-ho vonona amin’ ny fi­tahiana sy ho amin’ ny asa fanompoana faran’ izay betsaka indrin­dra azo atao ve ianao ? Azo antoka fa izany no faniriana mirehitry ny zanak’ Andriamanitra tsirairay avy. Izao ary no valiny « Raha misy olona manadio ny tenany, dia ho fanaka omem-boninahitra izy ». Raha TSY NAHOMBY ISIKA TAMIN’ NY LASA, tsy hoenoho ny tsy fahampian’ ny talenta na fahakingan’ olombelona. Tsy izao va no antony dia ny fontsika tsy mbola voadio ho afaka amin’ ny ota, na koa noho ny tsi-fahampian’ ny tena fanolorantena ho an’ Andriamanitra irery ihany ?

VOAVOATRA HO AMIN’ NY ASA TSARA REHE­TRA ». Io toetra farany io dia midika ho fahavononana amin’ ny ka­razan’ asa rehetra. Ny fahamasinana no loharanon’ ny karazam­-pahatsaran’ ny olombelona tsirairay avy. Ny fahamasinana no manetsika ny herintsika rehetra hiasa ary amin’ ny lafiny tsara indrindra araka izay azo atao. Izany dia midika ho fanamasinana ny tànana, tongotra, saina, kitapom-bola, ny maha-olona rehetra anatiny sy ivelany. Araka izany ny faniriana dia ny hanao « asa tsara » amin’ izay rehetra nomena antsika, ary ny hanao izay tsara indrindra, amin’ ny fomba faran’ izay tanteraka, araka ny fa­hazavana sy ny fahalalana ananantsika, na famafana gorodona izany, na fitantanan-draharaha, na fitorian-teny. Ny asa ambany indrindra dia tonga misy voninahitra rehefa miasa eo ambany fita­rihan’ ny fanahin’ ny hazofijaliana isika.

Raha eo am-pandanjalanjana ny tombam-bidin’ ny asa kris­tiana isika, dia matetika mieritreritra be loatra ny amin’ ny ezaka ataontsika fa kely foana kosa ny amin’ ny fanahintsika sy fiainan­tsika ! Ny toetra anefa no tena sarobidy kokoa noho ny asantsika ! ‘Manan-danja ny teny rehefa misy olona ao ambadik’ izany », ary raha ao ambadiky ny ezaka ataontsika no misy hanitry ny fiainana masina, dia tsy ho foana tsy akory ny asantsika ! Ny fiainana ma­sina no lahateny miteny indrindra amin’ izao andron’ ny zava-misyizao. Ny refin’ ny fahamasinantsika no refin’ ny herintsika ; Amin’ izay fomba izay, ary izay ihany no ahatonga antsika ho “Voavoa­tra ho tanin’ ny asa tsara rehetra ».