Ahoana no fomba hitehirizana ny Fitahiana

Tsy misy dingana eo amin’ ny fiainana kristiana izay tsy raisin’ Andriamanitra sy ny olona miaraka. Hatramin’ ny voalohany ka hatramin’ ny farany eo amin’ ny asam-pamonjena, dia tsy maintsy misy asa avy amin’ Andriamanitra sy ny olona. Ny teny hoe MITAHIRY sy MIKIKITRA, dia saika tena mitovy hany ka mety mifangaro ny fanononana azy. Raha te-ho voatahiry isika dia tsy maintsy mikikitra ! Marina fa amin’ ny lafiny iray, ny famon­jena dia avy amin’ Andriamanitra manontolo ; Marina koa anefa fa ny fanomezana sy fahasoavana avy amin’ ny Fanahy dia an­tsika ihany rehefa feno ny fepetra vitsivitsy. Ambaran’ i Petera fa amin’ ny fiainana kristiana, dia « Arovan’ ny herin’ Andria­manitra isika », iJakobakosaanefa dia mampianatra fa ny olona ara-panahy dia tokony « hiaro ny TENANY tsy hisy pentipentinaavy amin’ izao tontolo izao ».

Tsy mifanohitra tsy akory ny Baiboly ! Manazava ny tenany izy amin’ ny mpamaky mandinika tsara, ary ny fanazavana dia izao, raha fanomezana manontolo avy amin’ Andriamanitra ny fahasoavana, dia manana anjara raisina koa ny tenantsika mano­kana. Tokony « HIASA EO IVELANY » ny famonjena ataon’ An­driamanitra ao anaty isika.

Mba hitomboana amin’ ny fahasoavana -dia tsy maintsy mampiasa ny fombam-pahasoavana isika. Ny fampanantenan’ i KRISTY hiaro antsika dia miaraka amin’ ny fepetra fa tsy han­deha tsy misy antony amin’ ny làlan’ ny fakampanahy isika. Eo amin’ ny faritanin’ ny fanekena no misy antsika raha toa ka mija­nona eo amin’ ny faritanin’ ny fankatoavana hentitra ny sitra­pon’ Andriamanitra isika. « Tokony hitahiry ny tenantsika ao amin’ ny fitiavan’ Andriamanitra isika ». Jod. 21.