Ahoana no fomba hitehirizana ny Fitahiana 2 (tohiny)

Soso-kevitra vitsivitsy ny amin’ ny fomba hanaovantsika izany no hamonjy ny maro tsy ho amin’ ny fahalavoana ara-panahy.

1 — Tsy maintsy mandeha amin’ ny mazava isika… Ny fano­loran-tenantsika dia tokony hiaraka amin’ ny faritra miha-mala­laky ny fahazavana. Raha mitombo amin’ ny fahasoavana isika kamiakatra ambonimbony kokoa amin’ ny fiainana kristiana, dia manana fahitana mazava kokoa isika, fahatsapana velona kokoa, ary fahalalana mitombo ny amin’ izay sitrapon’ Andriamanitra. Ny fankatoavan’ ireo izay miara-mandeha amin’ Andriamanitra dia ho tsapaina matetika amin’ ny fanambarana vaovao ny sitrapony, ary raha mankatò ka manaraka izany ireo, dia hahafahatra sy hahery eo amin’ ny fiainana ara-panahy sady hitokian’ Andriamanitra bebe kokoa. Izany no lalàna ara-panahin’ Andriamanitra.

Ny ankabeazan’ ireo rehetra efa nahatsapa indray mandeha ny fanamasinana, fiainana masina sy mandresy, ny herin’ Andria­manitra, ny vokatry ny Fanahy, ny hosotr’ Andriamanitra ary ny fanomezana sy fitahian’ Andriamanitra hafa, nefa namery ny fita­hiana, dia mahazo an-tsaina fa efa nandà ny fankatoavana ny didy mazava sasany tonga teo amin’ ny fiainany izy ka nandà tsy hankatò) sy handeha amin’ ny mazava. Nisy andraikitra napetraka tamin’ izy ireny sady fantany fa avy amin’ Andriamanitra izany, nefa nisalasala hankatò izy.

Rehefa nilaozany ny làlana etin’ ny fankatoavana ny fitari­han’ ny Fanahy dia nitsahatra ny firaisany amin’ Andriamanitra, ary lasa ilay fahatsapana ny fitomoeran ‘ ny Mpampionona.Hatramin’ izay dia nisy aloka nandindona ny fiainany, tsy afa-nan­droso ary tsy nahatsapa hery sy fifaliana izy. Ary tsy hahita fifaliana intsony izy mandra-piveriny eo amin’ ny toerana nandatsa­hany ny kofehin’ ny FANKATOAVANA ka hanatanteraka nyzavatra notakian’ Andriamanitra tamin’ izany. Hatramin’ ny voa­lohany ka hatramin’ ny farany, ny Baiboly dia miventy fitakiana tokana sadylavareny dia ny FANKATOAVANA HENTITRA.