Ahoana no fomba hitehirizana ny Fitahiana 3 (tohiny)

2 — Tokony haka fotoana isika handinihana amin’ ny fanahy mivavaka ny Tenin’ Andriamanitra.

Ny Tenin’ Andriamanitra no sakafon’ ny finoana. Mahazo faka lalina kokoa ny fiainana kristiana amin’ ny fitsentsefana kokoa ny fahalalana ny Tenin’ Andriamanitra. Ny mihinana ny Teny dia toy ny mamin-tantelin’ i Jonatana, ilay fitaovana mampahazava. Izao no baiko tamin’ i Ezekiela : « Ry zanak’ olona, hano ny horonan-taratasy ». Eze. 3 : 1.

Maneho ny fahatsapan’ ny maro i Dr Horace raha nilaza hoe: « Ny fahatsapako dia izao, tsy mazava ny Baiboly rehefa tsy ma­zava aho. Rehefa tena velona kosa aho dia misokatra izy, ampi­tomboiny ny fahafantarana ary ambarany ny zava-dalina, hain­gan-doatra aza ka tsy arako ny mandray naoty azy. Ny fanahy araka izao tontolo izao dia manakombona ny Baiboly. Ny Fanahin’ Andriamanitra manao azy ho afo mampiredareda ny hevi-teny re­hetra sy ny fahamarinana be voninahitra.

Tsy misy famantarana azo antoka ny tsi-fahasalamana eo amin’ ny ara-panahy, tahaka ny eo amin’ ny fiainana ara-batana hoatry ny fahalainana tsy ha­nendry hanina. Tsy ny mofo ihany no iveloman’ ny olona fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’ Andriamanitra. Mba hikolokoloana ny fanahin’ ny fanompoana, hampahatanjaka ny finoana, hisinto­nana hery sy fiainana avy amin’ ny fantsakan’ ny fiainana izay an’ Andriamanitra, dia tsy misy zavatra tena ilaina ohatra ny fiana­rana mitohy sady feno vavaka ny Soratra Masina.

Tsy ny famakiana tsy amim-piheverana ny boky, fa ny fidi­ran’ izany ao amin’ ny fanahy, no mitondra fahazavana ara-­panahy sy hery. Ny fidiran’ ny teniny no manome fahazavana. Mba hanampiana anao amin’ io lafiny io dia ataovy izay hanana­nao ny bokinay « Ny Fomba famakiana ny Baiboly ».

Tsy maintsy ampifamenoantsika ny sakafo atolotry ny Baiboly sy ny andraikitra omen’ ny Baiboly, raha tsy izany tsy mba handroso isika. Ny fitahiana dia nomeny mba hitaomanantsika hiasa. Tsy maintsy zaraintsika ny fitahiana noraisintsika, raha tsy izany tsy hanan-kozaraina tsy ho ela isika. Toy ny afon’ arina mirehitra ny kristiana, tsy maintsy mampirehitra ny hafa izy, raha tsy izany dia ho levona.

Hoy ny hiran’ i WHITTIER :

“Hikatona ny varavaran’ ny lanitra

Ho an’ izay tonga irery

Mamonje fanahin’ olona ianao,

Dia hamonjy ny fanahinao koa ».