Ahoana no fomba hitehirizana ny Fitahiana 4 (tohiny)

Tsy ny fahamarinana rehetra tsy akory io, nefa misy faha­marinana lehibe eo ; Tsy mety misy fiainana ara-panahy sy faha­salamana ankoatra ny miasa ho an’ Andriamanitra sy ho an’ ny fa­nahin’ olona. Io no zava-miafin’ ny fitomboana sy ny fifaliana ara-panahy. Mitovy izay mitranga amin’ ny fahasoavana sy ny zava-boahary. Ny rano mihandrona dia manjary tsy mihetsika, nyolona tsy manao fanazaran-tena tonga malemy. Ny rantsana tsy ampiasaina tonga maina sy mikainkona ; Tsy ny renirano miko­riana no tonga ranomandry fa ny rano mihandrona sy tony. Ny hany ahazoantsika mamonjy ny tenantsika dia isika miezaka mamonjy ny hafa. Mahita amin’ ny maso mazava kokoa isika raha miezaka mampahita ny hafa.

Ry namana kristiana malala, aza miantehitra na mionona fotsiny amin’ ny hoe : manampy ny hafa ara-bola hamonjena fana­hin’ olona ianao, dia izay ihany no takiana amin’ ny kristiana. Nadia zava-dehibe aza ny mijoro amin’ izany, ka manompo amin’ ny fanananao ho an’ ireo manome ny androny manontolo sy fiainany hiasa any anivon’ ny Jentilisa ianao, dia mbola misy andraikitra sarobidy ho amin’ ny fiainam-panahinao sy fitomboanao amin’ ny fahasoavan’ Andriamanitra, dia ny hitozoanao amin’ ny asanao manokana ho an’ i Jesosy, amin’ ny hijoroanao vavolombelona ho Azy amin’ ny asanao, na amin’ ny toerana misy anao ; Mananatra ny hafa mifanena aminao mba hibebaka sy hiomana fa efa akaiky ny fanjakan’ Andriamanitra.

Hanana ny fiantraikany sy fitahiana eo amin’ ny fiainam-pa­nahinao sy firaisanao amin’ ny Tompo izany, fa zavatra tsy maintsy atao eo amin’ ny fiainana kristiana amin’ ny maha-zanak’Andriamanitra. Fomba maro no ahazoanao mijoro vavolombelona manokana ho an’ i Jesosy, amin’ ny alalan’ ny fanambarana, na fa­nomezana trakta mifanentana amin’ izay ilainy, na fanasana azy ho amin’ ny fivoriam-pifohazana. Mba hanampiana anao amin’ izany dia nanomana karazana trakta hozaraina maimaimpoana izahay, izay azonao ampiasaina amin’ ny vidiny mora.