Tsy maintsy miasa isika raha mbola antoandro ny andro

Hoy Andriamanitra, « Anaka, miasà any an-tanimboalo­boko … » Isika no vavolombelony. Izay no hany antony ametrahan’ Andriamanitra ny zanany eto amin’ izao tontolo izao, ho vavolom­belona sy fanasina amin’ ity izao tontolo izao mahantra ity. Mety hiteny ianao hoe : « Efa nanandrana aho nefa tsy rototra ny olona ». Eny, fantatra izany, nefa na dia izany aza, mpiambina ny rahala­hinao ianao. Tsy maintsy mampitandrina azy ianao… Afaho ny fanahinao.

Ny lalàn’ Andriamanitra dia MAMPIASÀ, raha tsy izany dia HO VERY. Tsy misy zavatra izay tsy hihena ary farany dia ho very

mihitsy amin’ ny tsy fampiasana azy ! Raha maniraka antsika hiasa Andriamanitra, tsy ny famonjena ny very ihany no ao am­pony, fa ny zavatra tsara indrindra ho an’ ny kristiana ihany koa.

—     ‘Neny a, hoy ity zazavavy kely sariaka 10 taona, izay vao avy nandray ny Mpamonjy. Hihazakazaka eny am-pita ve aho ka hiteny amin’ ilay mpanao kiraro antitra fa namela ny fahotako re­hetra Jesosy ? »

—     ‘Tsy hahasoa azy izany, anaka ; Tsy mpino izy ary tsy mino izany zavatra izany ». hoy ny reniny.

—     « Ka hahasoa ahy ahy ny hilaza aminy ê  » hoy ilay zaza. Marina ny azy.

Ny andraikitsika no elatra ho antsika. Raha vao raisintsika izany eo am-boalohany dia toa enta-mavesatra, fa rehefa entin­tsika am-pifaliana dia tonga miha-maivana hatrany, ary farany tonga elatra hiakarantsika ambony kokoa ho amin’ ny fiainana kristiana miafina ao amin’ Andriamanitra.

Ry mpamaky malala, meteza handohalika ka hanokana ny fiainanao ho an’ Andriamanitra hanompo Azy sy hanome voninahi­tra an’ i Jesosy Kristy Zanany, izay efa tia anao sy maty ho anao. Hoy Jesosy : «Tsy maintsy miasa isika raha mbola antoandro ny andro, fa avy ny alina izaytsy ahazoan’ ny olona miasa. Ho avy tsy ho ela Jesosy».