Fanaka omem-boninahitra

Nisy mpanoratra iray fahiny niteny tamim-pahendrena hoe   :   ‘Misy sokajy roa ny kristiana. Miaina amin’ ny fiainana tsy misy rahoraho ny ankamaroany, manao asa soa betsaka, mitady ny mifady ny faharatsianalehibe,mamonjy fiangonana, nefa tsy miadyny ady mafy hanoherana tanteraka an’ izao tontolo izao, na koa manao ezaka goavana hampandroso nyfanjakan’ i Kristy ! Ireny olona ireny dia tsy mikendry fahamendrehana ara-panahy mano­kana,famionona fotsiny amin’ nyzava-bita antonontononyeo ani­von’ ny namany’.

Ny sokajina kristiana iray dia tsy hoe mifady izay mety ho endriky ny faharatsiana fotsiny, fa mazoto amin’ ny karazana asa tsara rehetra. Atrehinyavokoa ny baikon’ Andriamanitra rehe­tra… Ampiasainy ny fahamalinana rehetra hanatratrarany ny sain’ i Kristy manontolo sy hanarahany ny dian’ Ilay Mpam­pianatra malalany. Hoseny tsy amim-pihambahambana ny fahafi­naretana rehetra manakanaazy tsy ho amin’ ny fahasoavana am­bony indrindra. Mandà ny tenany izy, tsy amin’ ny fahafinaretana andraràn’ ny Tenin’ Andriamanitra mafy ihany, fa ao koa ireo za­vatra hitany tamin’ ny alalan’ nyfahatsapana fa manakana ny fifaliany amin’ ny asan’ Andriamanitra ! Mandray an-tsitrapo ny hazofijaliana isan’ andro izy ka manaraka an’ i Jesosy…

Vao mangiran-dratsy dia mivavaka izyhoe : « Jesosy malala ô, manomeza voninahitra ny TENANAO amin’ ny alalako amin’ ity andro ity ».Ambony noho ny sakafony sy ny fisotrony ny manao ny sitrapon’ ny Rainy any an-danitra ! Tsy mpanao fanompoam-piva­vahana fotsiny izy, izay tia miandry ao amin’ ny toerana mangin­gina, miravoravo amin’ ny fanompoana mampifaly sy mahason­driana, fa mivoaka avy ao amin’ ny efitra mangina izy ireo, midina tahaka an’ i Mosesy avy any an-tendrombohitr’ Andriamanitra, miaraka amin’ ny tarehy mamirapiratry ny voninahitr’ Andriama­nitra, ary amin’ ny famangiany ny lavo sy ny noroahina dia poro­foiny amin’ ny fiainany ny maha-avy amin’ Andriamanitra ny Filazantsara.

 

NY KRISTIANA TOA IZANY NO FANAKA OMEM-BO­NINAHITRA. Ireo no ampiasain’ Andriamanitra ho amin’ ny tarigetraambony sylehibe, ary izany novoninahiny. Fombafanao fa­hizany ny nanandratana nympanompon’ ny mpanjaka tany Angletera ho andriana arakaraka ny asany. Ny hoe ampiasain’ ny MPANJAKAN’ NY MPANJAKA no tena voninahitra lehibe indrindra ! Azo irina ny laza sy valisoa ary ny vokatry ny asa isan-karazany, fa tsy misylehibe kokoa, naambony kokoa, na ma­hatretrika kokoa noho izany asan’ ny Tompo izany. Ny fanaka alam-baraka dia ireo apetraka an-jorom-bala, satria tsy mendrika ampiasain’ ny Tompo ! Ny olona tsirairay dia tsy maintsy ha­metraka ny tenany amin’ izay sokajy misy azy !

Mba tsy hanaovana fahadisoana eo amin’ ny fahafantarana ny hoe sokajy inona no misy antsika, andeha homarihina ny sasantsasany amin’ ireo toetra mampiavaka ny fanaka omem-boni­nahitra.