Fahamasinana sy Fakam-panahy 2 (tohiny)

Avela ho tonga ny fitsapana noho ny antony. Ny faharesena tsirairay dia mamela antsika halemilemy kokoa hiatrika ny ady manaraka, fa ny fandresena tsirairay kosa mahatonga antsika ha­tanjaka kokoa.

Ny fitsapana mandrakariva dia tonga amin’ ny faritra ma­lemy indrindra amin’ ny toetrantsika. Avelan’ Andriamanitra izany satria fantany fa mandresy isika rehefa mandresy ny fakam­panahy eo amin’ io faritra io ! Ny fandresena vaovao tsirairay dia mitondra fitomboan’ ny herin-tsaina, ary manamora ny fandresena amin’ ny manaraka !

Izany no antony tsy hitarihan’ Andriamanitra na oviana na oviana ny olona iray hanatanteraka zava-dehibe ho an’ Andriamanitra raha tsy efa porofoin’ izany olona izany aloha ny fahaizany mampiasa ny sabatry ny Tompo ao an- tokantra­nony !

Fanahy tsotra maro no mbola mitoetra ho voafatotra satria tsy mbola nianarany na oviana na oviana ny hanavaka ny hoe sain-dratsy (saina ratsy) sy ny (fisainana ny ratsy). Raha mbola manana fitaovam-pandrenesana 5 isika, izay mifandray amin’ izao tontolo izao feno faharatsiana, dia mety ampiasain’ i Satana ireo ho làlana malalaka ho amin’ ny fakampanahy, kanefa tsy misy na dia pentina iray aza hahazo ny fanahy raha vantany vao roahina tanteraka ny sain-dratsy. Azo ary tokony horoahina eo no ho eo amin’ ny fomba rehetra ny sain-dratsy tsy ho amin’ ny fieritreretanao, amin’ ny alalan’ ny fiderana mafy an’ Andria­manitra, na ny firesahana ny zavatra mahafinaritra nataon’ i Jesosy ho an’ ny namanao.

Rahoviana no afa-manavaka ianao fa ny toetry ny sainao dia vokatry ny fakam-panahy, na koa fisavorovoroan’ ny ratsy avy amin’ ny natioranao mihitsy ? Raha ny soso-kevitry ny ratsy tsymanaitra fihetsika, na mampirehitra faniriana, rehefa mihivingi­vina ianao ka mihemotra tsy hieritreritra azy mihitsy, rehefa ma­nohitra ny firehana sy faniriana mahazatra anao izany ka ma­hatonga fahorian’ ny fanahy na dia ny fieritreretana azy aza ; Amin’ izay fotoana izay, dia azo antoka fa avy any ivelany izany fa tsy avy ao anatiny, ka tsy tokony hisy fanamelohan-tena hana­raka. Asosoky ny devoly ny sasany amin’ ny asa ratsiny, fa ianao kosa maniry sy mifidy ny hifikitra amin’ ny Tenin’ Andriamanitra sy hanaraka an’ i Jesosy. Tohero ny devoly dia handositra anao izy!