Fahamasinana sy Fakam-panahy

Mitsahatra ny ady ao anaty rehefa voadio ho afaka amin’ nyratsy ny fo. Ny ady amin’ ny nofo dia mifarana rehefa voaroaka avy ao amin’ ny fanahy izay rehetra fanoherana an’ Andriamanitra. KRISTY NO MANJAKA tsy misy mandrafy !

Misy anefa fahavalo hafa ankoatra ireo ao anaty, izay tokony hiadiantsika mafy mihitsy hatramin’ ny farany. « Isika tsy mitolona amin’ ny nofo aman-dra, fa amin’ ny hery, amin’ ny mpanapaka ny fahamaizinana eto amin’ izao tontolo izao, amin’ ny faharatsiana ara-panahy (fanahy ratsy) eny amin’ ny toerana avo! Izany dia midika fa hifanehatra fakampanahy avy amin’ ny devoly isika, izany anefa tsy midika fa tsy masina ilay olona. Jesosy dia na­laimpanahy tamin’ ny lafin- javatra rehetra tahaka antsika nefa tsy nanota.

Arakaraka ny hivelomantsika akaikin’ Andriamanitra ka manelingelina an’ i Satana, no vao mainka misidina ny zana-tsipl­kany. Ny kristiana sasany tsy mivelona akaikikaiky kokoa an’ An­driamanitra mba hahaliana kokoa an’ i Satana. Fa izy mantsy tsy mila mampiasa ny heriny hanoherana ny mpivavaka anarana fotsiny sy tsy mitoetra tsara. Tsy misy porofo mampiharihary kokoa ny fahasoavana sy ny fandrosoana mihoatra noho ny hoe isika itangoronan’ ny tafik’ i Satana! Fakam-panahy masiaka matetika no mialoha, na manaraka ny fitahiana manokana sy misongadina ! Ny ady lehibe nifandi­ran’ i Kristy tamin’ i Satana dia nitranga taorian’ ny nahatonga­van’ ny Fanahy Masina taminy tamin’ ny fotoana nanaovam-ba­tisa an’ i Jesosy tamin’ ny rano. Raha vantany vao naharay io hosotra lehibe io Jesosy, dia « nentin’ ny Fanahy nankany an’ efitra mba halain’ ny devoly fanahy ». Ny fakampanahy nihatra taminy tsy hoe nahazoana alalana fotsiny fa nalamin’ Andriamanitra ! Tamin’ izany fifanandrinana izany no nahazoana fahatsapana maro izay tsy nety ho azo taorin’ ny fomba hafa. Koa satria « nijaly izy raha nalaimpanahy », ankehitriny dia afaka mamonjy ireoalaimpanahy Izy amin’ ny fomba izay tsy azony natao raha toa ka tsy nanohitra ny fanindronana mivaivain’ i Satana ny Tenany.