Miara mandeha amin’Andriamanitra (tohiny 3)

3° — FANDROSOANA :

Tsy mihemotra na oviana na oviana Andriamanitra, ary raha miara-mandeha Aminy isika dia tsy hanao izany na oviana na oviana ! Ny fandehanana dia fihetsika mitovy sy miaraka, din­gana mifandimby, ka ny tsirairay dia mialoha ny teo aloha. Tsy fikoropahana tsy akory, na fitsambikinana, fa fandrosoana mato­tra miala amin’ ny toerana iray mankamin’ ny anankiray. Ireoizay miara-mandeha amin’ Andriamanitra dia tsy miresaka mandrakariva momba ny fahatsapana nahafinaritra efa lasa teo aloha. Aminy dia tsara kokoa ny ankehitriny noho ny taloha.

Ny fahotana no zavatra tokana hanapaka ny firaisantsika amin’ Andriamanitra sy hanakana ny fandrosoantsika.

Ny fiaraha-mandeha amin’ Andriamanitra dia midika ho dingana mifandimby amin’ ny sitrapon’ Andriamanitra, mankato ny didiny, milefitra hatrany hatrany amin’ ny faniriana sy sitra­pon’ ny Mpampianatra eo amin’ ny fiainanao ; manandratra ny fanjakany !

Maro no manomboka tsara amin’ ny ara-panahy nefa tamin’ ny alalan’ ny fahalemena sy tsi-fiambenana dia tonga matimaty, ary ankehitriny dia mamela zavatra hitranga eo amin’ ny fiainany, izay tsy nonofisiny akory fony mbola teo akaikin’ Andriamanitra izy teo aloha… dia fahotana maro izay ankahalain’ Andriamanitra.

« Izay manendrikendrika ny namany mangingina dia hofon­gorako ; Tsy tohako izay miandranandrana sy miavonavona am-po. Tsy mba hitoetra ao anatin’ ny tranoko izay manao fitaka ; Tsy mba hijanona eo anoloan’ ny masoko izay milaza lainga… Fa ny masoko hijery izay olo-mahatoky amin’ ny tany mba hitoerany ato amiko ; Izay mandeha amin’ ny làlana tanteraka no hanompo Ahy ». Bal. 101: 5-8.

Ry mpamaky malala, aoka ianao tsy ho difotry ny hoe tsy azonao atao ny miaina amin’ ny fiainana madio sy masina mandri­tra ny androm-piainanao rehetra, fa hevero fotsiny ny hiaina fiainana amim-pahamasinana isaky ny fotona mandalo, satria ny fifandimbiasan’ ny fotoana masina no mitambatra ho fiainana masina.