Miara mandeha amin’Andriamanitra (tohiny 2)

2° — FIOMBONANA :

Raha miresaka fananana fiombonana amin’ i Kristy isika, izay tiana holazaina dia fiombonam-po. Rehefa mifampiresaka isika dia fo mankamin’ ny fo. Ny fisakaizana akaiky sy fifanka­zarana dia fiaraha-mandeha ara-panahy. « Ny firaisanay dia amin’ ny Ray sy amin’ i Jesosy Kristy Zanany ». I Jao. 1 : 3.

Marina ilay fitenenana hoe : « Raha miara-mandeha amin’ Andriamanitra ianao, tsy maintsy miresaka Aminy, fa raha tsy izany dia hitsahatra tsy hiara-mandeha Aminy ianao ». Tsy lafiny tokana ihany anefa ny firesahana. Tsy maintsy mihaino sy miva­vaka ianao. « Izay manan-tsofina enti-mihaino, aoka izy hihaino ». Apo. 2 : 17. Misy sary mahavariana maneho io fiombonana lalina amin’ Andriamanitra sy ny Zanany io. « Ary Jehovah nanao hoe : Hafeniko amin’ i Abrahama va izay hataoko 7 » Gen. 18 : 17, ary etsy an-daniny kosa mandre ny Zanak’ Andriamanitra isika manao hoe : « Jehovah efa nanafina izany tamiko, fa tsy nanam­bara tamiko ». Miresaka amin’ Andriamanitra isika manambara Aminy ny tsiambaratelontsika, manokatra ny fontsika mihoatra noho izay ataontsika amin’ ny olona ety an-tany. Ary amim-pitia­vana kosa no hamaliany antsika miaraka amin’ ny famindram­pony sy hanazavany amintsika ny anton’ ny fahasoavany sy ny drafiny lehibe eo amin’ ny fiainantsika ary hamatsiany antsika fahasoavana ampy ho enti-mandroso.

hitohy …