Miara mandeha amin’Andriamanitra (tohiny)

Ny fiaraha-mandeha amin’ Andriamanitra dia mifono zava­tra telo fara-faharatsiny :

1°— FIARAHANA :

Ity fahatsapana ity dia tenifikasan’ ny Tompontsika tamin’ ny mpianany (Jao. 14 : 21-24), ilay tsy azon’ i Joda raha niteny hoe :’Tompoko, nahoana no aminay ihany no isehoanao, fa tsy amin’ izao tontolo izao koa ? Mbola tsy azon’ izy ireo mihitsy io tamin’ izany fotoan’ andro izany, fa tato aoriana dia fantany tamin’ ny alalan’ ny fahatsapana voatahy fa izay tiany lazaina dia fanamba­rana marina momba ny Tenany, izay mameno ny fatra ilain’ ny fanahy. Karazana fisehoana izay ny fanahy nohazavain’ Andria­manitra ihany no afaka ahafantatra azy.

Fony mbola tety an-tany Kristy dia voafetry ny toerana, fari­tra sy fotoana ny fanatrehan’ ny tenany, fa taorian’ ny nahafate­sany sy niakarany tany an-danitra kosa, ka nanirahany ny Fanahy Masina dia azontsika rehetra atao ny manana Azy. Mitoetra ao anatintsika amin’ ny alalan’ ny Fanahy Masina Izy ary miaraka amin’ olona mandrakariva, na aiza na aiza amin’ ny fotoana mi­tovy, eny, na dia hatrany amin’ ny faran’ ny tany aza. Ankehitriny isika dia afaka mahatsapa ny fanatrehan’ ny tenan’ i Kristy izay mamaha ny olana rehetra sy miatrika izay rehetra takian’ ny fiainana kristiana.

hitohy …