Ny fahasambarana amin’ny fankatoavana ny Tenin’Andriamanitra

Raha tsy mifanaraka amin’ ny  Tenin’ Andriamanitra ny fiai­nantsika, na dia amin’ ny didy iray aza (na izay voasoratra) dia mbola tsy mendrika na vonona ho amin’ ny lanitra isika. Tsy azo ekena na oviana na oviana ho any an-danitra isika raha tàhiny mandà an-tsitrapo sy amim-pahalalana tsy hankato ny Tenin’ Andriamanitra sy hivelona araka izany. Hoy Jesosy : « Sambatra izay mandre ny Tenin’ Andriamanitra ka mankatò izany ».

Manome tombom-pitia izay mankatò Azy Andriamanitra ! Izay rehetra maniry handany ny fiainany ao amin’ ny ambara­tonga ambony indrindran’ ny fahatanterahana dia tokony hianatra tsy miato ny Baiboly, ary hankatò tsara sy amim-pahamalinana ny fitsipiny rehetra. Ny valisoan’ ny fankatoavana dia fahasamba­rana eto amin’ izao fiainana izao ary lanitra amin’ ny mandraki­zay. « Toy izay anie ianao mba nihaino ny didiko ! Dia ho tonga tahaka ny ony ny fiadananao, ary tahaka ny onjan-dranomasina ny fahamarinanao ». Isa. 48 : 18.