Ny toetry ny Kristiana tsy refesina amin’ny Fihitseham-po

Azo itompoana fa irin’i Jesosy ny fitiavanao, nefa karazana fitia­vana hitarika anao hankato Azy no ilainy.

AZA MANDREFY NY FAHATSAPANA MAHA-KRIS­TIANA amin’ ny FIHETSEHAM-PONAO, fa amin’ ny fankatoava­nao izay mivoaka avy amin’ ny faniriana anaty ao am-po.

Raha hitanao fa misy faniriana hampifaly an’ Andriamanitra, namanao ahoana na manao ahoana fihetseham-ponao, afa-mahazo antoka fa efa ‘ nateraka indray ianao » ary manana « fahefana amin’ ny hazon’ aina, sy afa-miditra amin’ ny vavahady ho ao an-TANANA ». Apo. 22 : 14. SAMBATRA izay MITANDRINA NY DI­DINY mba hananany fahefana amin’ ny hazon’ aina sy hidirany amin’ ny vavahady ho ao an-tanàna (lanitra) ». Apo. 22 : 14.

« Tsy izayrehetra manao amiko hoe : Tompoko, Tompokono hiditra amin’ ny fanjakan’ ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ ny Raiko Izay any an-danitra ». Mat. 7 : 21.

Mihoatra noho ny fanekena no ilaina… ny fankatoavana no varavarana tokana ho amin’ nyfanjakan’ Andriamanitra. Ny faha­tanterahan’ ny « Fanantenantsika » dia miankina tanteraka amin’ nyfomba itiavantsika sy ankatoavantsika an’ Andriamanitra. Ny làlan-tokana « hampiorenantsika ny fiantsoana sy fifidianana an­tsika », dia ny fivelomantsika amin’ ny TENY REHETRA izay aloaky ny vavan’Andriamanitra. Ny fanantenanao mahafinaritra hahazo ny lanitra sy hahita ireo olo-malalanao lasa teo aloha, tsy ho tanterakao na oviana na oviana, raha tsy mpanatanteraka amim-pahamalinana ny Tenin’ Andriamanitra ianao.

Mahatsapa dodona aho ka mampitandrina ny amin’ ny tsi­firaharahana sy fanaovana an-tsirambina mba hitehirizana anao ao amin’ ny FITIAVAN’ ANDRIAMANITRA. « Tehirizo ny tenanao aoamin’ ny FITIAVAN’ ANDRIAMANITRA ». Jereo ny fiainanao raha mivaky isan’ androtoa izay amakiana ny Baiboly… amin’izay dia hanana fototra tsy voahotsonkotsona ny amin’ ny finoanao sy ny fanantenanao ianao.