Ny Lalan-danitra

NY LALAN-DANITRA

Fantatro fa misy lanitra, tsy noho ny fanoporofoan’ ny Baiboly ihany, fa satria nidina ho eo amiko ny lanitra ary migoka isan’ andro ny fifaliany aho .

Maro no efa nihinana coco, nefa tsy mbola tany amin’ ny tanàna, na toerana nambolena coco na oviana na oviana. Kanefa satria nanandrana ny coco izy ireny, dia fantany fa misy ny tanànaambolena coco.

Tsy hoe misy fotsiny ny lanitra, fa misy koa ny làlana man­kany an-danitra dia làlana masina. Izay tsy miaina amin’ ny fiainana masina eto an-tany dia tsy hiaina any an-danitra na oviana na oviana. Ny fiainan-danitra dia fiainam-pahamasinana. Ny làlana sy fiainam-pahamasinana dia fiainana sambatra. « Ary hisy làlambe any, dia làlana voavoatra, izay hatao hoe : Làlan’ ny fahamasinana ; Tsy mba handia izany ny tsy madio, fa Jehovah homba azy, ka izay mandeha amin’ ny làlana dia tsy ho diso any, na dia ny adala aza ». Isa 35 : 8.

Ny làlan-danitra dia làlana masina. « Mba handraisantsika anjara amin’ ny fahamasinany ». Heb. 12 : 10. Miezaha mitady fihavanana amin’ ny olona rehetra ary fahamasi­nana ; Fa izay tsy manam-pahamasinana dia tsy hahita ny Tompo ». Heb. 12 : 14.