Finoana – 12

… tohiny

FIAIKENA DISO

Midera ny fahavalo hianao raha miaiky ny fanakantsakanan’i Satana anao, ary fomba feno hafetsena hanambarana izany fa mahery noho Andriamanitra Satana. Mandevona ny finoana ny tenin’Andriamanitra ny fiaikena toy izany. Mameno tahotra anao izany ary mihazona anao eo ambany fatorana. Manakana ny fahombiazanao izany, mifanaraka amin’i Satana hianao ka dia manome azy alalana hifehy anao ; tsy avelany hiala amin’ny fahalemena hianao.

« Izay ato amiko dia mahery lavitra noho izay amin’izao tontolo izao » ary « Indro Izaho (Jesosy) manome anareo hery handresy ny hery rehetra ananan’ny fahavalo, ary tsy hisy hampaninona anareo akory » (Lioka 10  : 19) « Tohero ny devoly dia handositra anao izy »… ary mijoroa ka lazao ny devoly izay hataony fa aza mankato ny tahony sy ny laingany, dia ho afaka amin’ny fitarihan’i Satana hianao amin’ny androm-piainananao ary ho velona tokoa araka izay efa nokasain’Andriamanitra haha-velomanao.

FIAIKENA NOHO NY FITSAPANA.

« Jehovah no fiarovana mafy ho an’ny aiko ; iza no hangovitako ? » na inon-kihatra na inon-kidona, na rahoviana na rahoviana, atodiho mandrakariva eo amin’ny teny fikasan’Andriamanitra ny masonao, ary ny fitenin’Andriamanitra tenenina. Zaro amin’ny fiainan’Andriamanitra sy ny fiteniny ny tenanao. Ny fijoroanao hanohitra ny toa sy ny aretina no hampitombo be ny fahizanao manohitra ao am-ponao ka tsy hahery intsony Satana aminao ; satria efa vita lasitra ao amin’ny fiainanao sy ny fombanao ny tenin’Andriamanitra (II Pet. 1  : 4). Manjary tsy azo tohaina tahaka an’Andriamanitra hianao, satria ny TENINY no mifehy ny fihevitrao, ny fivavakao, ny teninao sy ny fihetsikao.

NY FIAIKENA dia ny fanamafisana zavatra inoana, fanambarana zavatra fantatra sy marina efa noraisina.

INONA NO TOKONY HIAIKENTSIKA

Tsy afa-miaiky na manambara zava-tsy fantatra isika. Amin’ny vavantsika no tsy maintsy hiaikentsika izay fantatsika manokana ny amin’i Jesosy Kristy ary izay lazain’ny teniny fa ao Aminy isika !

Hita ao amin’ny Baiboly ny tsiambaratelon’ny FINONA mahafehy. Ataovy izay hahitanao izay nataon’i Jesosy ho anao tamin’ny alalan’ny fahafatesany sy ny fijaliany. Dia miaike an’izany, ary ampiasao izany zavabita izany mba hahazoanao izay tadiavinao ! Ny figagana fotsiny amin’ireo zava-mahatalanjona ao amin’ny Baiboly iro kanefa manda na manao tsirambina ny fiaikena azy tsotra sy ny fampiasana azy dia tsy hampanana fnoana anao amin’ny andro mahory. Mahalala fa resy teo amin’ny hazo fijaliana Satana, resin’ilay Mpisolo antsika (Jesosy Kristy) ary dia nisaina ho antsika ny fandresena azy mba hahazoana mijery antsika any amin’ny boky fitadidiana izay an’ny fitsaran’izao rehetra izao fa TOMPON’i Satana isika IZAO ary eken’i Satana fa mpanapaka azy amin’ny ANARAN’I JESOSY. Rehefa mahalala izany isika tahaka ny ahalalantsika fa efatra no valin’ny roa ampiana roa, dia ilay FINOANA MAHAFEHY miaraka amin’ny FIAIKENA marina FANANANA FAHEFANA no tonga fiteny mahazatra antsika. Dia mandeha ho azy ny itenenantsika tahaka ny nitenenan’i Jesosy. Fantatsika ny fanavotana antsika. TONGA HO AZY tahaka ny nananantsika tahotra talohan’ny nahazoantsika fahazavana ny FINOANA.

Tonga tahaka ny an’ny lehilahy mahery ny fitenintsika. Tahaka ny olona hafa firazanana sy avy amin’ny fanjakana hafa ny firesatsika… ary koa « taranaka voafidy sy fanjaka mpisorona » isika. MANANA FAHEFANA ISIKA. Manohan antsika ANDRIAMANITRA. Sahy isika. Tahaka ny itenenan’ny tsy mino ny tahony no itenenantsika kosa ny fitenin’Andriamanitra.

Im-betsaka ny olona no talanjona sy nitolagaga rehefa NITENY tamim-PAHEFANA sy HERY Jesosy. Na oviana na oviana ary na aiza na aiza ny olona no MINO NY TENINY, dia azo atao na dia ny tsy azo atao aza, manjary mora ilay sarotra ; mitranga izay zavatra tsy fandre, ary dia manjary fahitra an-davanandro ny fahagagana.

Nanan-kery ny TENIN’i Jesosy. Mbola mahery tahaka ny fony nitenenany azy ny teniny ankehitriny, satria mbola Jesosy ihany no Jesosy, tsy nanova na irigirika iray monja amin’ny TENINY Izy !

« JESOSY KRISTY NO TSY MIOVA omaly sy anio ary mandrakizay » (Heb. 13  : 8).

hitohy…