Finoana – 11

… tohiny

VAVOLOMBELONA TELO ISAKY NY FAHAFAHANA IRAY.

Misy olona telo miteny alohan’ny ahazoana na ny tsy ahazoana ny fandresena.

1. Milaza izay hataony ANDRIAMANITRA raha mino hianao.

2. Mandainga satana ka manao hoe « AZA DIA MATOKY tanteraka an’Andriamanitra. Aleoleo kokoa miandry… jereo aloha raha mihatsara hianao ».

3. NY TENINAO anefa no manana ny fanapahana… izay iray inoanao sy ankatoavinao no hamaritra izay ho azonao. Ny miresaka finoana kanefa misalasala raha hanao marina izay nampanatenainy ANDRIAMANITRA dia tonga amin’izay itadiavan’ny devoly azy… ny fihetsika toa izany dia mampiseho fa tsy manam-pahatokiana velively ny teny fikasan’Andriamanitra hianao. Ny tahotry ny devoly no itokianano fa tsy ny TENIN’ANDRIAMANITRA MAHATOKY… koa tsy mahazo na inona na inona afa-tsy fahadisoam-panantenana hianao ! « Satria izay manatona an’Andriamanitra dia sy maintsy mino fa Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy Izy » (Heb. 11  : 6).

Fa ireo izay MINO AN’ANDRIAMANITRA kosa dia manambara tsy amim-pahambahambana fa fantany fa hano izay nampanantenainy Andriamanitra na dia ao aza ireo zavatra HITANY, TSAPANY, RENY na mety ho FANTANY… satria Andriamanitra no milaza izany. Koa dia mino izy… ka dia tsy maintsy tanteraka izany ! Tsy raharahain’ny olona toy ireny izay zavatra hitany, tsapany na reny… tsy misy zava-dehibe ao an-tsainy afa-tsy izay LAZAIN’ANDRIAMANITRA ka dia mihetsika araka izany izy… Ary hiasa ho azy Andriamnaitra ka hanatanteraka izay « nangatahiny tamim-pinoana tamim-bavaka ».

« Ny ran’ny Zanak’Ondry sy ny teny filazana Azy no andresentsika ny devoly, (Apok. 12  : 11).

Betsaka ny te-« hahita » aloha vao miaiky amin’ny vavany na mino fa marina izay lazain’Andriamanitra momba ny fanasitranana azy. Tsy HAHITA na oviana na oviana ny olona toy ireny… satria tsy hila izay finoan akory izy rehefa mahita… satria fahatsapaa sy fahalalana no misy rehefa avy nahita. NY FINOANA dia tsy maintsy ananana alohan’ny hahitana na hahatsapana fiovana ao amin’ny toe-tena. « Fa finoana no andehanantsika fa tsy fahitana » (II Kor. 5  : 7).

Tsy inona ny finoana fa fahavononana hino fa hanao izay lazainy fa hatao Andriamanitra… Raha isalasalanao ny Tenin’Andriamanitra, dia mino hianao izany fa isy mbola mahery noho ANDRIAMANITRA any ho any ary dia mety hampiova ny TEIN’ANDRIAMANITRA izany ! … Be no mihevitra fa mahery noho Andriamanitra ny Dokotera ! … Marikoditra izy mieritreritra izany… kanefa ny ATAONY no manamarina izany ! Mino sy manao izay zavatra rehetra asain’ny dokotera ataony izy ; tsy fantany na mbola ho afa-mandeha izy na tsia fa dia avelona hanao ny fandidina azy ny dokotera, kanefa tsy mety mino na mihetsika araka ny teny nataon’Andriamanitra izy.

Tsy azonao adalaina Andriamanitra, fantany amin’ny fihetsikao raha mino Azy marina hinaao na misalasala ny Aminy.

Manantena antsika HILAZA IZAY LAZAINY ny momba antsiaka Andriamanitra. Hoy Andriamanitra « Izaho no Jehovah Izay mahasitrana anao » (Eks. 15  : 26).

« izao famantarana izao no hanaraka izay mino  : hamoaka demonia amin’ny anarako izy (izaho sy hianao)… hametra-tanana aminn’y marary izy (izaho sy hianao), dia ho sitrana ireny (tsy hila fandidina) » (Marka 16  : 17, 18).

Izay LAZAINTSIKA no hamonjy na handevona antsika… avy amin’ny haben’ny ao am-po no itenenan’ny vava, ary avy ao amin’ny fo no ivoahan’ny AINA ». Raha manambara izay lazain’Andriamanitra hianao ka « MITANDRINA ny TENINY ; manongilana ny sofinao hihaino ny filazany, tsy mamela azy hiala eo imasonao, mirakitra azy ao am-ponao », dia ho « aina ho an’ny mahazo azy izy ary fahasalamana ho an’ny nofony rehetra » (Ohab. 4  : 20-22) ; Sal. 107  : 20).

Ampianarina isika hampifatoka ny saintsika, sy ny sofintsika sy ny masontsika ary ny fontsika amin’ny teny fikasan’Andriamanitra irery ihany. Tsy ampidirina ao izany ny tahotra, tsi-finoana ary ny fahakiviana.

Raha mino an’Andriamanitra isika dia mandositra ho azy ny tahotra…… tsy afa miara-mitoetra ao amin’ny fo iray izy roa ireo. Avy amin’ny devoly ny tahotra, hanakana ny fahasoavan’Andriamanitra ho anao io . Manindrona poizina ao anatin’ny ranao ny tahotra, ary mampahalemy ny vatanao. Tsy mba mampatahotra na iza na iza Andriamanitra fa tsy hanantanteraka ny teny fikasany…… fa MAMPIANATRA antsika HINO NY TENIN’ANDRIAMANITRA REHETRA ny Fanahin’Andriamanitra ! Mandray ny Tenin’Andriamanitra ny Fanahin’Andriamanitra mba hampiseho amintsika ny hasoany sy ny heriny, ary mamporisika antsika hitaky ny teny fikasana rehetra ary hihetsika araka izany !

Tsy ilaintsika ny hisahiran-tsaina mba hahalalana raha hanatantraraka ny Teniny amintsika Andriamanitra ! Tsy mandainga Andriamanitra…… Efa nomeny ny teny fikasany izay nohamafisiny tamin’ny fianiana ho an’  « IZAY REHETRA MINO »… Raha matoky ny tenin’Andriamanitra mihoatra noho ny tenin’olombelona hianao dia manam-pinoana hianao ! Mihetseha ary araka izany ! Dia hahazo izay rehetra angatahinao amin’ny antony tsara hianao ho an’ny voninahitr’Andriamanitra.

hitohy…