Finoana – 10

… tohiny

MITONDRA VOKATRA MAHAGAGA NY FINOANA MITOMBO.

Tao Bangalore, India, dia nisy dokotera anankiray nitondra ny zanadrahalahiny tamin’ny seza kalesy nandritry ny 3 alina. 25 taona izy (vehivavy) ary tsy mbola mba namindra indray mandeha akory hatr’izay niainany (araka ny fahafantaran’ny olona). Nitombo isan’alina tao am-pony ny finoana, ary tamin’ny andro fahefatra, nivavaka tontolo andro izy hatramin’ny 4 1/3 hariva izay nahatongavan’ny finoana ho toy ny vanja mahery.

« Haingàna hianareo, ento any am-pivoriana aho » hoy izy tamin’ny fianakaviany, « hamindra aho raha alina ». Nisomaritaka ny tao an-trano ary nitondra azy teo amin’ny fivoriana ka nametraka azy teo akaikin’ny lapihazo. Saika tsy nahandry ny fahavitan’ny toriteninay akory izy, saika tsy andriny akory ny fahataperan’ny vavaka ho an’ny famonjena, dia tonga ilay fotoana nadrasan’ela fanaovana ny vavaka ho an’ny marary ! Nino izy, ary vantany vao niteny izahay hoe  : « Amin’ny Anaran’i Jesosy, mitsangana ny mandringa ka mandehana », dia niantsambotra niala teo amin’ny seza kalesy izy ary namindra nankeny amin’ny fanamafisam-peo ka nanambara tamin-karavoana izay nataon’ny Tompo taminy. Nanao ranomason-kafaliana sy talanjona tamin’ny FITIAVAN’i Jesosy ireo olona am-polony maro nahalala azy ka tonga teo amin’ny fivoriana.

INONA MOA NY TENA FINOANA ?

Ny finoana fotsiny izay lazain’Andriamanitra ary mihetsika arak’izany no atao hoe tena finoana miasa !

Manova ny « FAHALALANA » ho « FIHETSEHANA ». TSY FINOANA ny fahalalana tsy araham-PANKATOAVANA. « Ny finoana no OMEN’ANDRIAMANITRA VONINAHITRA sy valiany soa amin’ny fanomezana » IZAY REHETRA angatahina ».

Maty ny finoana tsy misy asa (tsy misy ilana azy…) tsy hitondra soa ho an’iza na ia izy. Maro ny olona nanana io karazam-pinoana maty io… satria tsy mba sahy hietsiak na oviana na oviana arak’izay asain’i Jesosy ataony izy… fa sro-tahotra ! Sarotra ny mahalala izay nampahatahotra ny olona amin’ny teny fikasan’Andriamanitra, kanefa ity tany diavintsika ity dia hazonin’ny TENIN’ANDRIAMANITRA ! Tsy miova Andriamanitra … izany no ahalalantsika tsara izay tokony hantenaina rehefa mihetsika araka ny teny fikasany isika !

Tsy finoana jamba akory rehefa mihetsika arak’izay nampanantenain’Andriamanitra isika… fa izany ihany no zavatra AZO ANTOKA indrindra eto ambonin’ny tany… mety tsy hahatanteraka ny fampanantenana nataony ny olona, mety hiova hevitra izy, na mety tsy ho afa-manatanteraka izay nampanantenainy hatao… FA ANDRIAMANITRA KOSA SY VOAFEHIN’izany fahalemena izany… IZY irery no mbola afaka mamoron-javatra avy amin’ny tsy misy… « Izay nolazainy dia HAINY HATAO KOA » (Rom. 4  : 21).

Raha mangataka amin’Andriamanitra mba ho sitraniny hianao, dia minoa an’Andriamanitra ka mialà eo am-pandriana ! inona no hataonao raha mahita an’i Jesosy amin’ny masonao hianao mitsangana eo anilan’ny fandrianao, ka mahare azy tsara miteny hoe  : « NY DIAN-KAPOKA TAMIKO NO NAHASITRANA ANAO » (izany dia zavatra efa vita raha ny ao am-pon’Andriamanitra !) »… inona no hataonao ? Dia mbola handry eo ve hinaoa sa hitsangana ka hidera an’i Jesosy izay nanasitra anao tanterka maimaim-poana ?… Ny Tenin’Andriamanitra dia Tenin’i Jesosy koa izay milaza aminao izay efa nataony ho anao ! Koa AMPIASAO nyfinoanao izao dia ho sitrana hianao ! (I Pet. 2  : 24).

MIRESAKA NY FINOANA… MANDEHA NY FINOANA… MIASA NY FINOANA… MAHITA NY FINOANA

Izay zavatra inoantsika no resahintsika. Raha misy tsy tena inoantsika marina dia ny fisalasalana ny amin’izany no resahintsika. Ary satria tsy tena mino izay lazain’i Jesosy ny olona, raha anoavana vavaka izy, dia ny tsi-finoany no resahiny. Misy manao hoe  : « Tsy fantatro ny mbola tsy anasitranan’Andriamanitra ahy ihany… Araka ny hevitrao ve tsara raha mankany amin’ny Dokotera aho mba hamarininy ?… mety ho sarotra anie ny aretina e ataoko fa tsaratsara kokoa amiko ny ho didina ; na ahoana na ahoana anefa efa nandoa ilay vola fiarovana amin’ny fidirana ny trano fitsaboana aho (assurance d’hospitalisation) ary koa efa nagataka fotoana aho » Ny olona manana hevitra toy izany dia tsy manam-pinoana izay nolazain’Andriamanitra fa hataony na dia toy ny eran’ambatry aza. Raha ny marina dia tsy ilaina ny misasatra sy mivazavaza hivavaka ho an’ny fanasitranana olona tahaka izany… satria mandà tsotra ny fandraisana izay lazain’i Jesosy izy. Aleony miankina amin’izay asain’ny dokotera ataony noho izay asain’Andriamanitra ataony.

Tadidio fa ny olombelona dia maminavina fotsiny… fa Andriamanitra kosa mahalala marina !

hitohy…